Socio-eco

SECES SY NY MPIANATRA ENY ANKATSO: Samy manana ny marary azy


Lakolosy fanairana. Nizara vaovao tamin’ny mpianatra momba ireo fitakiany ny Seces (Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra) sampana Antananarivo androany 04 desambra 2019 teny amin’ny Esplanade Ankatso. Nampahafantarin’ny sendika ny antony mbola mampiato ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny Seces Antananarivo, Profesora Ravelonarivo Sammy Grégoire fa miandry ny vokatry ny fihaonana tamin’ny praiministra ny Seces manerana an’i Madagasikara. “Tsy fidiny ho an’ny Seces ny mampiato ny fampianarana fa noho ny zavatra takiana tsy mbola mivaly. Rehefa misy ny valiny mahafapo sy azo tsapain-tanana dia mivory izahay ka rehefa miray feo ny mpikambana rehetra fa mitohy ny fampianarana dia mitohy izany”, hoy izy. Raha ny fantatra, amin’ny zoma ho avy izao dia hanao fivoriambe indray ny sendika, hanaovana tatitra momban’ny fifampidinihana tamin’ny ministera sy ny primatiora.

Raha ny momba ny fitakian’ny mpianatra no resahana dia nambaran’ny solotenan’ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra, Ratianarivo Dagué fa ao anatin’ny fitakian’izy ireo ny fanomezana tetiandro mazava amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana mba hiomanan’ny mpianatra amin’ny famitàna ny fianarana; ny fanatsarana “connexion internet” eny amin’ny oniversite. “Misy ny fandraisan’anjaran’ny mpianatra alaina ao amin’ny droit d’inscription administrative (…) Mitaky fifampiresahana izahay  amin’io connexion internet io satria mbola betsaka ny établissement mitaraina amin’io”, hoy izy. Ankoatra izany, anisany olana noresahan’ny mpianatra ny rafi-pampianarana LMD (Licence-Master-Doctorat) toy ny tsy fahampian’ny fotodrafitr’asa. “ Maro dia maro ireo mpianatra tsy manana efitrano hianarana, indrindra ireo mpianatra miomana hivoaka Master. Mangataka izahay mba hisian’ny programan’asa momba ny fotodrafitr’asa”, hoy hatrany Ratianarivo Dagué. Ao anatin’ny olan’ny mpianatra ihany koa ny tsy fandriam-pahalemana, misy ny fanendahana mpianatra, fanolanana mpianatra… Mangataka ihany koa ireto mpianatra ny hamahana olona mba hiverenan’ny fampianarana haingana satria ny hofan-trano mitomboka ihany, ny sakafo tsy maintsy hohanina.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *