Socio-eco

SECES ANTANANARIVO: Tsy nanaiky ny fiangavian’ny ministra


Tsy nisy ny vokatra azo tsapain-tanana. Taorian’ny fihaonana tamin’ny ministry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny alarobia 13 novambra 2019 sy ny antso an-telefaonina nifanaovana tamin’ny tomponandraikitry ny Fiadidiana ny Prezidansan’ny Repoblika nivory ny SECES (Sendikan’ny Mpampianatra-mpikaroka sy Mpikaroka-mpampianatra) omaly 14 novambra 2019 teny Ankatso. Nanao tatitra tamin’ny mpikambana momba ny toromarika nomeny ramatoa ministra ireo solontena nihaona taminy. Nambaran’ny filohan’ny SECES, Profesora Ravelonarivo Sammy Grégoire fa niangavy  ny ministra mba hampitsahatra ny fitokonana, hanala ny “banderole”, hifampidinika sy hiandry tanana. Tapaka tamin’ny fivoriana omaly  anefa fa mitohy ny fitakiana sy ny fampitsaharana ny asa fampianarana sy ny fikarohana eto amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ny Foibem-pikarohana nasionaly miorina eto andrenivohitra mandra-pisian’ny vahaolana mari-pototra sy azo tsapain-tànana.

Hanatanteraka fivoriambe ny SECES Sampana Antananarivo ny talata faha-19 Novambra 2019 eny amin’ny oniversiten’Antananarivo manomboka amin’ny 9 ora maraina, izay anasana ampanajana ireo solontenan’ny SECES avy any amin’ny faritany sy avy amin’ny ministera mpiahy. Ankoatra izany, miantso ny tomponandraikitra ambony eto amin’ny tany sy ny firenena samy handray andraikitra manandrify azy eo amin’ny fanatanterahana ny vahaolana naroson’ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta momba ny teboka miisa fito (07) (note d’audience n°105 CAB/PM du 29 Avril 2019).

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *