Socio-eco

SECES ANTANANARIVO: Tsy miantoka amin’izay mety hiseho


Efa eo am-pelantanan’ny fitondram-panjakana ny soso-kevitra momba ny fitakian’ny  sendikan’ny mpampianatra- mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra  (SECES), sampana Antananarivo. Tapaka nandritra ny fivoriambe nataon’izy ireo, ny zoma 1 martsa 2019  fa raha tsy mandray fanapahan-kevitra ny fitondram-panjakana manoloana ireo fitakiana ireo dia « tsy tompon’antoka amin’izay mety hiseho ety amin’ny anjerimanontolo ny sendika, hoy ny filohan’ny SECES Antananarivo, Profesora Sammy Grégoire Ravelonirina. 48 ora no nomen’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ny fitondram-panjakana izany hoe : tapitra rahampitso alahady io fe-potoana io. Hiverina hivory  kosa ny sendika amin’ity herinandro ity ka amin’izay fotoana izay no ahitana na hisaotra ny fitondram-panjakana noho ny fihainoany na hiroso amin’ny fihetsiketsehana. Nambaran’i Profesora Sammy Grégoire Ravelonirina fa mety ho araraotin’ireo olona na mpanao politika tsy mankasitraka izao fitondrana ankehitriny izao ny hisian’ny savorovoro eny amin’ny anjerimanontolo.

Fitakiana

Tsiahivina fa teboka efatra lehibe ny fitakian’ny SECES Antananarivo ary misy amin’ireo hitovizan’ny SECES sampana rahavavy. Voalohany amin’ny fitakiana ny faneken’ny fiadidian’ny Primatiora ny fangatahana “Dérogation spéciale pour le maintien en activité” ho an’ireo mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra, izay efa voasivana sy neken’ny “Collège des Enseignants” na ny “Collège des Chercheurs” no sady efa fanao hatrizay. Faharoa, ny fampihemorana ny datin’ny fifidianana an’ireo ho mpitantana ety anivon’ny anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana mandra-panekena ny lalam-pifidianana vaovao izay mitaky ny hanaovana izany ho “suffrage universelle directe”, olona iray mira vato iray ho an’ny mpampianatra-mpikaroka. Fifidianana mangarahara, andraisan’ny rehetra anjara, eken’ny rehetra, ara-pomba demokratika, lavitry ny kajikajy maloto sy ny kinamanamana. Fahatelo, mitaky ny fandoavana manontolo ny “heures complémentaires” ho an’ny taom-pianarana 2016-2017 (tapany faharoa) sy 2017-2018 ary ny vary mangatsiaka tamin’ny taom-pianarana 2014-2015 ho an’ireo mpampianatra 19 ao amin’ny fakiolte DEGS ny SECES Antananarivo. Farany, tsy manaiky intsony ny mbola fampihatoana ny “reclassement” sy “avancement” ho an’ireo mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra maro an’isa tokony hisitraka izany, ka miandrandra vahaolana haingana avy amin’ny fitondrana mahefa ny sendika.

Manamafy ny biraon’ny SECES Antananarivo fa tsy mankasitraka ny  endrika fihoaram-pefy sy fanimban-javatra, na inona na inona antony ary na avy aiza na avy aiza. “Izahay mpikambana SECES Sampana Antananarivo dia manameloka tanteraka amin’ny herinay rehetra ny fanamparam-pahefana sy ny fanaovana herisetra, ny famonoana ary ny fisamborana mpianatra nataon’ireo mpitandro filaminana sasantsasany sy ireo mpanome baiko. Aiza ho aiza ny fanajàna sy ny fampiharana ny zon’olombelona eto Madagasikara raha ireny ny zava-mitranga?

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *