politique

SECES ANTANANARIVO: Mivoana amin’ny teny nomen’ny praiminisitra ny ataon’ny ministera


Miandry valinteny avy amin’ny praiministra Ntsay Christian na fitondram-panjakana ny SECES Antananarivo. Mangataka valin-teny izy ireo na mbola mitàna ny teny nomeny ny lehiben’ny governemanta na tsia momba ny fitantanana ny oniveriste miankina amin’ny fanjakana sy ny foibem-pikarohana nasionaly.  Araka ny fanazavan’ny  filohan’ny SECES  sampana Antananarivo, Sammy Gregoire fa nanaiky ny vahaolana naroson’ny praministra ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra nandritra ny fihaonana ny 14 aprily 2019 lasa teo na dia tsy nahafa-po 100 %  aza izany. Ankehitriny anefa dia mivoana tanteraka sy tsy mifanaraka amin’io fifanarahana io no ataon’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ka nanatanteraka fivoriambe ny SECES Antananarivo ny 12 septambra 2019 teny Ankatso. Nivoitra tamin’ity fivoriana ity fa misy ny fanaparam-pahefana tonga tsy tapaka eny amin’ny oniversite ary manohitohina ny maha olona mihitsy izany. Ohatra amin’izany ny naoty laharana 70/2019/MIN SUPRES milaza fampihantoana ny fanaovana tohan-kevitra hahazoana ny diplaoma doctorat sy HDR mba ho fampanaraham-penitra sy fanarahamaso ny  fiasan’ny  sekolim-panjakana ambony mamoaka mpiofana hanana ny diplaoma doctorat. “Mety misy  ny tsy ara-dalàna, henjeho izay tsy ara-dalàna, ampiharo ny lalàna fa kosa raha toa ka ny fosa  no manao ny ataony dia ny saka rehetra ve no ho voatapa-drambo, tsy rariny kosa izany”, hoy i Profesora Ravelonarivo Sammy Grégoire.

Anisany  antony nivorian’ny SECES Antananarivo ihany koa ny fifampitondrana eo amin’ny oniveriste sy ny foibem-pikarohana. “Tsy mety aminay ary tsy ekenay velively  ny hoe: rehefa  hanatanteraka mission scientifique dia tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana any amin’ny sekretera jeneralin’ny ministera mpiahy, raha toa ka misy “conférence” ho vonjena any ivelany na sahala amin’izany dia tsy maintsy mangataka fahazoan-dalana any amin’ny primatiora”, hoy ireo mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra. Nambaran’izy ireo fa misy ny sehatr’asa tsy azo am-piandrasana satria mety hitera-doza. Nanamafy ihany koa ny filohan’ny SECES Antananarivo fa arovan’ny lalàna mifehy anay izahay, ny  sata mifehy manokana ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra  fa tokony hiasa an-kalalahana tsy misy teritery  eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fikarohana.

Mbola hivory  ity sendika ity amin’ny alarobia ho avy izao ka eo no  hahafantarana ny vokatry ny fanapahan-kevitra sy ny famahana olana ataon’ny tomponandraiki-panjakana . “Raha tsy misy izany dia amin’ny alalan’ny fivoriana ihany no hanapahana hevitra indray”.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *