Socio-eco

SARY NALAIN’I PIERROT MEN: Hanavotra ny mponina any Atsimo sy Avaratra


Fanampiana ny maha olona. Taorian’ny “road show photo” nampirantiana ireo sary mampiseho ny tsy fitovian’ny any Atsimo sy Avaratra vokatry ny loza voanjanahary dia mitohy ny fampirantiana ny sary nalain’i Pierrot Men. Noho ny fiarahamiasan’ny  ONG Medair sy IFM (Institut Français de Madagascar) dia nampahafantarina androany 25 novambra 2019 fa hampiantrano ny fampirantiana “le bruissement de l’eau” ny  IFM Analakely ny 28 novambra 2019 ka hatramin’ny 18 janoary  2020. “Tsy misy ny rano any Atsimo kanefa be rano any Avaratra. Mampiseho ny tsy fitoviana any Atsimo sy Avaratra ny sary nalaiko”, hoy i Pierrot Men.

Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny seraseran’ny Medair eto Madagasikara, Rakotomavo Christelle fa  fampirantiana an-tsary ny zava-misy mahazo ny any Atsimo sy Avaratra amin’ny endriny ara-java-kanto kokoa ity hetsika  ity. Nambarany fa ao anatin’ny tetikasa “réveillons l’humani-terriens en nous” atao eto Madagasikara, hanamarihan’ny Medair ny faha-30 taona nanampiana ny maha olona vokatry ny loza voanjanahary  io fampirantiana io. Mampatsiahy ihany koa izy fa masoivohon’io tetikasa io i Pierrot Men. Nanampy fanazavana ny tomponandraikitra avy ao amin’ny IFM, Sara Boyer fa tsy hampisehoana ny hatsaran’ny sary nalaina nandritra ny tetikasa no tanjon’ity fampirantiana ity fa hankafizana ny fomba fijeriny ny paka sary amin’ny lafiny ara-java-kanto izay mifono mistery.

Sary maherin’ny 20 no haseho mandritra ny fampirantiana ary ho amidy izany mba hanohanana ny tetikasan’ny Medair  hampihenana ny fijalian’ny mponina any amin’ny faritra Atsimo sy Avaratra vokatry ny loza voanjanahary toy ny haintany, rivo-doza, tondra-drano.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *