Socio-eco

SALON DES ETUDES SUPERIEURES 2019 : Lalam-piofanana vaovao ny momba ny filaminam-bahoaka


Trano heva 70 no ho hita eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina amin’ity « salon des études supérieures  2019» ity. Mampiavaka ity hetsika karakarain’ny Mada jeune ity ny fisian’ny lalam-piofanana momba ny filaminam-bahoaka iarahana amin’ny polisim-pirenena. Nahemotra  ny Zoma 08 sy Sabotsy 09 Novambra 2019 ny hetsika noho ny fahalasanan’ny mpanakanto Dadah ao amin’ny tarika Mahaleo izay nentina ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina. Fotoana io ho an’ireo mpianatra vao afaka bakalorea tamin’ity taona ity hisafidianana ireo lalam-piofanana sy oniversite. Hanampy  ny mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea  amin’ny fisafidianana ny  lalam-piofanana ho rantoviny ny hetsika. Ho fampahafantarana ireo oniversite tsy miankina  sy ny lalam-piofanana misy ao amin’izy ireo ihany koa izany. Hahazo fanazavana bebe kokoa  momba ny  lalam-piofanana tsirairay ireo mpitsidika. Hanome toro-lalana ho an’ireo mpianatra, indrindra fa ireo vao afaka fanadinana bakalorea ireo oniversite tsy miankina  mandray anjara amin’ny hetsika io. Mamporisika ny mpianatra noho izany ny mpikarakara ao amin’ny Mada jeune ho tonga maro ireo mpianatra. 1000 Ariary kosa ny fandraisana anjara amin’ny fidirana eny an-toerana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *