Socio-eco

SALON DES ETUDES INTERNATIONALES: Ny fomba hahazoana diplaoma any ivelany kanefa mijanona eto Madagasikara


Fampahafantarana ho an’ireo tsy mahalala. Efa marobe ireo mpianatra nahita tombontsoa tamin’ny «Salon des études internationales» ary efa nahavita ny fianarany ambaratonga ambony tany ivelany. Manomboka androany 05 martsa ary hifarana rahampitso 06 martsa 2020 ny andiany faha-11 amin’ity hetsika karakarain’ny Mada Jeune ity ary niova kely ny toerana satria eny amin’ny Novotel Convention Alarobia. Oniversite avy amin’ny firenena maro ary fandehanan’ny mpianatra Malagasy no mandray anjara mandritra ny roa andro toy an’i Frantsa , Etats-Unis, Canada. Araka ny fanazavan’ny mpikarakara, Andriamahatsangy Lahatra, maro mpandray anjara ihany koa ireo oniversite avy any Inde, Maurice. Nambarany fa mamiratra ny mpianatra Malagasy mandranto fianarana any Inde ka anisany antony mahatonga ireo oniversite any an-toerana mandray anjara mavitrika amin’ny “salon”. “Raha ho an’i Maurice indray no resahana dia betsaka ireo tanora Malagasy no mandeha mianatra any satria mora ny hahazoana VISA, ora iray monja miala eto Madagasikara ka afaka mivezivezy ireo mpianatra, indrindra rehefa fety. Ankoatra izany, iraisam-pirenena ny diplaoma azo”, hoy hatrany i Andriamahatsangy Lahatra.
Ho fanampin’izay, firenena vaovao amin’ity hetsika ity i Corée du Sud. Oniversite momba ny lalam-piofanana “visuelle et communication” no ampahafantarin-dry zareo eny amin’ny Novotel Convention Alarobia. Manana tolotra ihany koa io oniveriste ny fomba hahazoana diplaoma avy any ivelany kanefa mijanona eto an-tanindrazana ihany no mianatra (e-learning). Ankoatra izany, lalam-piofanana no hampahafantarin’ireo trano heva miisa 20 toy “Métiers de l’aviation, l’hôtellerie et bateaux de croisière à Maurice”, commerce et marketing…Toy ny mahazatra dia misy ny famelabelaran-kevitra ataon’ireo oniversite.
Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *