Socio-eco

SALON DES ETUDES INTERNATIONALES : Ireo oniversite any ivelany mandray mpianatra Malagasy


Hifarana rahampitso 2 martsa 2019 eny amin’ny Carlton Anosy ny salon des études internationales karakarain’ny Mada Jeune. Antom-pisian’ny salon tao anatin’izay folo taona izay ny fanampiana ny mpianatra Malagasy vao afaka fanadinana bakalorea ka te hanohy ny fianarany ambaratonga ambony any ivelany. Zava-baovao tamin’ity andiany faha-10 ity ny fandraisana anjaran’ireo oniversite sy grandes écoles avy any Australie sy Indonesie. « Tanjon’izy ireo ny mampahafantatra ny mpianatra Malagasy fa azo atao ny mianatra any amin’ireo firenena ireo ankoatra ny firenena efa mahazatra azo hanohizana ny fianarana any ivelany », hoy ny mpikarakara, Lahatra Andriamahatsangy nandritra ny fanokafana ny hetsika, androany 1 martsa 2019.

Voasolo tena avokoa ireo firenena manerana an’izao tontolo toy ny Canada, Allemagne, Australie, Indonesie… mandritra ny salon des études internationales. 15 ny isan’ny mpandray anjara ka hampahafantarina eny avokoa ny lalam-piofanana misy amin’ireo oniversite sy grandes écoles manerana an’izao tontolo izao, ny saram-pianarana, ny dingana arahina amin’ny fikarakarana ny taratasy rehetra. Misy mpandray anjara manampy ny mpianatra amin’ny fikarakarana dingana rehetra manomboka any amin’ny taratasy ilaina mandra-pahatonga any ivelany ihany koa ao amin’ny salon. Nambaran’ny mpikarakara fa mila fanomanana be ny fanohizana fianarana any ivelany ka izany indrindra antony nanaovana ny hetsika ny volana martsa ho fanomanana ny fidirana amin’ny taom-pianarana volana septambra. « Matoa mbola mitohy ny fiarahamiasa amin’ireo mpandray anjara dia nisy akony ny salon nandritra izay andiany maro izay”, hoy i Lahatra Andriamahatsangy.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *