Socio-eco

SALON DE L’ETUDIANT – SPECIAL TOAMASINA : Natao ho an’ny mpianatra maniry hanohy fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony


Hatrany amin’ny fahazoana “stage”. Vita soamantsara ny fanadinana bakalorea 2020. Maro amin’ireo mpiadina no maniry ny hanohy ny fianarany eny amin’ny ambaratonga ambony. Nanokana hetsika ho an’ny mpianatra any Toamasina ny Mada Jeune ho fanampiana azy ireo amin’ny fitadiavana sekoly ambaratonga ambony na ivon-toeram-pampiofanana mifanaraka amin’ny lalam-piofanana mahaliana azy ireo. Ny zoma 30 sy ny sabotsy 31 oktobra 2020 ao amin’ny Foyer Tranovato Fjkm Anjoma no hanatanterahana ny “salon de l’étudiant-spécial Tamatave” andiany fahatelo. “ Natao hanampiana ireo vao afaka bakalorea amin’ny fahazoana antotam-baovao momba ny anjerimanontolo eto Madagasikara sy any ivelany ity hetsika ity. Ho amin’ity taona ity dia handray mpianatra anarivony izahay ary ao anatin’ny fanajàna ny fepetra ara-pahasalamana izany”, hoy ny mpikarakara.

Nambarany fa am-polony ny trano heva. Mandritra ny roa andro dia hanome ny andinidininy momba ny sampam-piofanana, ny saram-pianarana, ny antontan-taratasy ilaina, ny fomba ahazoana fanazaran’asa  ireo mpandray anjara toa ny sekoly ambaratonga ambony tsy miankina IEP- ESMIA – IMT – ISMATEC – CEFOMAR – ALLIANCE FRANCAISE DE TAMATAVE CAMPUS France – ESCM – ATOUT TOURISME – STUDYDAS – CURTIN MAURITIUS – CNTEMAD ESTIIM – MCCI Mauritius – ZAFIMANE INSTITUT – MALAGASY INITIATIVE – VATEL MADAGASCAR…

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *