Socio-eco

SALON DE L’ETUDIANT-SPECIAL RENTREE 2021: Mbola tsy tara ireo mpianatra te hanohy ny fianarany eny amin’ny ambaratonga ambony


Misy ny fidirana faharoa ho an’ny taom-pianarana 2021. Maro amin’ireo mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea no misafidy ny hanomboka ny fianarany eny amin’ny ambaratonga ambony ny volana febroary na martsa. Natao hanampiana azy ireo indrindra ny Salon de l’étudiant –Spécial Rentrée 2021. Ny alakamisy 04 sy ny zoma 05 febroary eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina no hanatanterahana izany. Nambaran’ny mpikarakara avy ao amin’ny Mada Jeune, Rajaonah Haingo fa « taorian’ny valim-panadinana bakalorea dia maro tamin’ireo mpianatra no nisafidy hanao fialan-tsasatra mba hakàna bahana amin’ny fiatrehana indray ny fianarana ambaratonga ambony. Tao ihany koa ireo mbola niandry ny fifaninanana hidirana amin’ny taona voalohany eny amin’ny oniveristem-panjakana. Maro amin’izy ireo no miandry ny fidirana volana febroary na martsa. Natao ho an’ireo mpianatra taraiky ny fidirana tamin’ny volana novambra na desambra  ity salon ity”.

Mpitsidika 3000 mahery no handrasana  mandritra ny roa andro. Noho izany, fotoana ahafahan’ireo ivon-toeram-pampiofanana sy oniversite miisa 40 mampahafantatra ny andinindininy momba ireo lalam-piofanana  misy ao aminy sy mampahafantatra ny fidirana andiany faharoa io fotoana io. Ankoatra izany dia anisany mampiavaka ny hetsika ny fandraisan’anjaran’ireo ivon-toerana mikarakara ireo mpianatra te hanohy ny fianarany any Frantsa, Maorisy, Russie na hafa. Amin’ny maha mpanohana ny salon   an’ny ESCM Business School dia vonona ny hanoro lalana ireo mpitsidika ny tokony atao raha hisafidy ny hanohy  ny taona fahatelo na hahazoana ny diplaoma MBA (Master of Business Administration) na Master  any Frantsa  ity sekoly ity.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *