Socio-eco

« Salon de l’étudiant »: Roa andro ho an’ny mpianatra


Sahiran-tsaina ireo mpianatra vao afaka bakalorea tamin’ny taona 2018 ka tsy mbola tafiditra tamin’ny volana Novambra 2018 iny. Maro ny antony nahatonga izany. Izay indrindra no nikarakaran’ny Mada jeune ny « Salon de l’étudiant » amin’ny fidirana Febroary 2019 ity izay atao etsy amin’ny lapan’ny kolotsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny Alakamisy 14 Febroary 2019 ka hatramin’ny Zoma 15 Febroary 2019. Hanampy  ny mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea  amin’ny fisafidianana ny  lalam-piofanana ho rantoviny ny hetsika. Ho fampahafantarana ireo oniversite tsy miankina  sy ny lalam-piofanana misy ao amin’izy ireo ihany koa izany. Hahazo fanazavana bebe kokoa  momban’ny  lalam-piofanana tsirairay ireo mpitsidika. « Manana roa andro ireo mpitsidika hitady ny lalam-piofanana tiany hanohizany ny fianarana ambaratonga ambony », hoy ny mpikarakara. Hanome toro-lalana ho an’ireo mpianatra, indrindra fa ireo vao afaka fanadinana bakalorea ireo oniversite tsy miankina  22, mpandray anjara amin’ny hetsika io toy ny IEP, ISM, ISMATEC,  GSI, IMT, ATM, ISINFO, IFAGI, IFSM, ISPGI ,ISIME, ISSEG, INFOTOUR,  IMD,  ESCAME,  ESTIIM, MPTC, CNTEMAD, E-MEDIA, ISSEG,  ISPAG, ISPS, LEADER. Marihana fa mpitsidika 3 000 no andrasana mandritra io roa andro io ary tsy misy ny vidim-pidirana.

Nirina R.


One comment on “« Salon de l’étudiant »: Roa andro ho an’ny mpianatra

  1. Pingback: « Salon de l’étudiant »: Roa andro ho an’ny mpianatra - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *