Sport

Rugby: Mikarakara fifanianana ny “Tambohobe”.


Entin’ny “Tambohobe” ankalazana ny faha 15 taonany ny fikarakarana fifaninana lalao baolina lavalava ahitana ireo ekipa manana ny maha izy azy eto Analamanga. Na misy aza ny disadiasa eo amin’ny mpiatantana ity taranja ity, tsy mahasakana ny “Tambohobe” hikarakara fifaninana izany. Hifanandrina amin’ny dingana manasa-dalana voalohany ny USCAR ny kaominina Antanarivo sy ny TAM Anosibe. Ny dingan’ny manasa-dalana faharoa hifanandrianan’i MATADORIA Anosipatrana sy TFMA Ankasina. Ireo lalao roa ireo, samy atao ny Alahady 29 Jolay 2018 eny amin’ny kianjan’i Malacam. Ny 02 septambra 2018 kosa no atao ny famaranana etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina amin’izay tavafoaka amin’ireo manasa-dalana roa ireo. Ankoatra ireo lalao ireo, atao mandritra ny famaranana  ny lalao ady omby. FTN Nanahazana hihaona amin’ny 15WOLSK Anosibe, SCM Mandilaza hifandona amin’i ESPOIR Anjanahary ary CEA Andranomanalina hifanjija amin’i  FANJA Anjanahary. Tanjon’ity fikamabanana ity ny ady amin’ny herisetra amin’ny lafiny rehetra ka izay no nisafidianana ny lalao baolina lavalava sy ny “vakisôva” miaraka anehoana izany. Fantatra fa ny “vakisôva” dia gazety an-kira milaza ireo zava-misy eny amin’ny fiaraha-monina rehetra eny.

Mandritra ny fialantsasatra, hisy hatrany ny “vakisôva” ho an’ireo mpiangaly izany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *