Socio-eco

ROVA AN’ANTANANARIVO: Hiato ny fitsidihana atsy ho atsy


Tsy toy ny mahazatra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tsangambato sy ny toerana miavaka. Ny fanadiovana ny Rova an’Antananarivo no nanamarihana izany teto Antananarivo, ny 18 aprily 2019. Nanotrona ireo mpianatry ny sampana tantara eny amin’ny Oniversite Antananarivo, taona faha-3 sy faha-4 ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina (MCC) tamin’io fotoana io. “Miova amin’ny mahazatra kely ny fankalazana dia asa fanadiovana no natao fa tsy lanonana sy kabary”, hoy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana. Nambarany fa entina hanairana ny olom-pirenena hitia sy hikolo ny harem-bakoka izao hetsika izao. Tsikaritra mantsy tamin’ny fanadiovana tao amin’ny  Lapa Mahitsielafanjaka fa feno soratsoratra ny rindrina. Manimba ny hasin’ny toerana anefa izany, hoy ny minisitra. Mampiseho ihany koa  izany fa tsy mahavita manaja intsony ny harem-bakoka ny taranaka aty aoriana. Izao no atao mba hamerenana ny fitiavana ny harem-bakoka, ny kolontsaina izay maneho ny maha izy azy antsika.

Asa fanamboarana

Hanomboka atsy ho atsy ny fanamboarana ny Lapa ao anaty Rova. Ho an’ny lapa Besakana dia ho tanterahina ny asa rehefa voakarakara ireo hazo handrafetana izany, hoy ny minisitra.  Araka ny resaka nifandinihana tamin’ny Filohan’ny Repoblika sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eny amin’ny Rova, ireo izay mahalala ny fombafomba dia hikatona ny Rova. Noho izany dia hitsahatra aloa ny fitsidihana ho an’ny daholobe mandra-pahavitan’ny asa fanamboarana mba tsy hisian’ny fanelingelenana. Azo ampiasaina kosa ny fiangonana ka ho ampiasaina ny varavaram-be any ambadika.

Lynda A.


One comment on “ROVA AN’ANTANANARIVO: Hiato ny fitsidihana atsy ho atsy

  1. Pingback: ROVA AN’ANTANANARIVO: Hiato ny fitsidihana atsy ho atsy - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *