Socio-eco

« ROTARY DISTRICT 9220 »: Manao tomban’ezaka ny asa vita


Mampiantrano ny “assemblée de formation” andiany faha-24 sy ny “conférence du district 9220” andiany faha-23 an’ny “Rotary Club International” i Madagasikara. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 1  mey 2019 teny amin’ny CCI Ivato ary tsy hifarana raha ny 4 mey 2019 ity fivoriamben’ny Rotary roa sosona ity. Nanatrika ny fanokafana ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo.

Mpikambana ao amin’ny Rotary miisa 600 avy amin’ny firenena fito: Madagasikara, Maurice, Réunion sy Mayotte, Gabon, Djibouti, Comores ary Seychelles no mpandray anjara. Fivoriana fanao isan-taona izy ity, hanaovana tomban’ezaka ny asa vitan’ny club tsirairay tao an’ny taona, hoy ny « Gouverneur » ny district 9220, ramatoa Shelly Oukabay. Ho jerena avokoa ireo sehatra hiasan’ny Rotary toy ny fahadiovana sy fidiovana, fahasalamana, fisorohana ny aretina, fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra… araka ny fanazavany hatrany. Ankoatra izany, handraisana ireo « Gouverneur » vao niditra ny « assemblée de formation ». Hisy ny atrikasa fiofanana hiresahana lohahevitra maro toy ny fifandrasaina sy serasera ao amin’ny Rotary. Nambaran’i Shelly Oukabay fa mampiavaka ity andiany ity ny fisian’ny trano heva fampirantiana ny vokatra mampiavaka an’i Madagasikara toy ny asa tanana isan-karazany. Ho faranana amin’ny fanokanana ny tsangambaton’ny Rotary eny Ivato, fiaraha-misakafo ary “passation de collier” ny fivoriambe.

Mpiara-miombona antoka maro no nanohana ny hetsika ho an’ny fianakaviamben’ny Rotary toy ny SGS/Gasy Net, Air France, Assurance Aro, BOA, CFAO, TAF sy Propain. Mpanohana ofisialy kosa ny Air Mauritius sy CCI Ivato ary mpanohana ny STAR sy ny Orange. Mpanohana manokana ny Groupe Sipromad/Thomson Broadcast.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *