Socio-eco

ROLAND RATSIRAKA : Nampihorakoraka ny mpijery tao Antsonjombe


« Ho raisina ny anaran’ireo tsy an’asa eto Antananarivo amin’ny taona ho avy ». Namory ny mponin’Antananarivo tamin’ny alalan’ny fampisehoana an-tsehatra nataon’ireo mpanakanto toy an’i Njakatiana, Bolo pix, Elidiot, Oladad teny amin’ny kianjan’ny Coliseum Antsonjombe Roland Ratsiraka omaly 19 aogositra 2018. Horakoraka tao amin’ny kianja rehefa nandihy tamin’ny hiran’i Deenyz mitondra ny lohateny hoe « manakory » ity kandida ho filohampirenena ity. Nandritra io fotoana io no nampahafantariny tamin’ny fomba ofisialy fa kandida amin’ny fifidianana filohampirenena ny tenany. Ny Antoko politika Malagasy Tonga Saina (MTS) sy ireo ben’ny tanana 700 isa no nanolotra azy ho kandida. Hanatitra ny taratasy filatsahan-ko fidiany izy androany maraina amin’ny 11 sasany.

Ny vinam-piarahamonina RIRa (Rindra iavian’ny Raitra) no entiny Roland Ratsiraka hampandrosoana an’i Madagasikara rehefa tonga eo amin’ny fitondrana izy. Ao anatin’ny RIRa ny fanafoanana ny fitohanana lavareny eto Antananarivo renivohitra. « Hanamboarana tetezana eo Anosizato sy Ambohibao. Efa tetikasako tamin’izaho ministry ny asa vaventy izany saingy tsy navela notanterahina sao malaza », hoy i Roland Ratsiraka. Nampanantena ihany koa ity kandida ity fa hamaha ny olan’ny tsy an’asa. Nambarany fa ady amin’ny fahantrana ny fampananan’asa ny Malagasy, ny fanomezana rano fisotro madio sy trano fonenana azy ireo.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *