Socio-eco

Rodoben’ny vaky boky an-dalambe: Ho fampitiavana ny teny sy ny kolontsaina malagasy


« Tsapanay fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy sy ny HAVATSA/UPEM fa nihena be ny  fankafizan’ny Malagasy ny vaky boky », hoy ny solontenan’ny birao ao amin’ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Mbola Ranto Ramanantsoa. Noho ny fiarahamiasa eo amin’ny ministeran’ny kolontsaina sy ny fampiroboroboana ny asa tanana ary ny fiarovana vakoka sy ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra Malagasy ary ny HAVATSA/UPEM dia ho atokana ho an’ny hetsika « rodorodom-baky boky an-dalambe » isaky 5 septambra mba ho fampitiavana indray ny  teny malagasy  sy ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny vaky boky.

Natomboka tamin’ity taona 2018 ity ny hetsika ka nanao filaharam-be  nihodidina an’Analakely ka hatreo amin’ny Tahala Rarihasina ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra Malagasy sy ny HAVATSA/UPEM. Sady namaky boky toy ny asa soratra Malagasy izy ireo no nanao diam-be. Ho fanentanana sy famporisihana ny mpianatra, tanora, olon-dehibe, mpitantana orinasa… ho tia ny vaky boky no tanjon’ny hetsika. « Fanombohan’asa ny androany fa ho tohizana isan-taona ity rodorodom-baky boky ity », hoy hatrany ny poety sy mpanoratra sady mpikabary,  Mbola Ranto Ramanantsoa. Nanatevin-daharana ny hetsika ny fikambanan’ny mpikabary

Variana loatra amin’ny fikirakirana ny teknolojia toy ny tambazotran-tseratsera ny Malagasy sasantsany. Ohatra ny fampiasana fanafohizan-teny rehefa miresaka amin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera (facebook). Hany ka rehefa manoratra dia tsy mahay manoratra izay lazaina intsony. Tombony amin’ny famakiana boky ny fitehirizana ny fomba fanoratana ny teny malagasy.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *