Socio-eco

Resaka lalàm-pifidianana : Mampiakam-peo ny vehivavy MFM


Délire Madagascar: Rasoaniaina Malalatiana Filohan’ny vehivavy MFM, mandeha ny resaka fa ny Lalànan’ny fifidianana ankehitriny dia toa mampiferinaina an-dry zareo MAGRO fa tia hoe tsy mahazo milatsaka ny Dadany. Ahoana ny hevitrao manodidina an’izay tompoko?

Rasoaniaina Malalatiana (RM): “Tsotrabe ny fanazavana mikasika an’izay satria nisy ny fitaizana ny olona sy hetsika natao nandritra ny 5 taona tao amin’ny MAGRO. Anisan’izany ny MFM nitarika ny fanajana ny ordre constitutionnel ary nandritra izany dia nisy fiaraha-mitantana nataon’ny mouvances Ravalomanana sy Rajoelina. Raha miresaka izay fanamelohana an-dRavalomanana tsy hilatsaka ho Filoham-pirenena izay dia mazava be ny tompon’antoka fa Rajoelina no nanao izany. Nisakana ny tsy hodian-dRavalomanana teto izy. Nosakanany mihitsy fa ny mpitondra voafidy Rajaonarimampianina no nanao ezaka mba hisian’ny fitoniana ka nampody an-dRavalomanana teto, fa tsy Rajoelina mihitsy izay nanohitra an’izany nandritra ny 5 taona. Tapitra moa ny 5 taona raha tokony ho 2 taona no nitondrany ny Tetezamita, tsy tafody Ravalomanana fa navezivezy teo ny mpomba azy. Tafapetraka soamantsara ny Filoha Rajaonarimampianina dia nanao ny ezaka nampodiana an-dRavalomanana.

Ny resaka fitoriana dia mazava be ny resaka ary eken’ny rehetra ny mpomba an-dRavalomanana izany fa ny AV7 sy Rajoelina no nanao fitoriana azy noho ireny faty olona teny Ambohitsorohitra ireny. Izay no nanamelohana azy. Amin’ireo izany Ravalomanana no tokony hametraka fanontaniana. Rtoa Razanamahasoa Christine Minisitry ny FItsarana no anisan’ny namoaka ny Didy fa tsy maintsy ho samborina Ravalomanana raha miverina eto. Natao ny NOTAM sy ny fanasaziana rehetra amin’ny fisakanana dia izay no vokany. Tonga hatrany amin’ny tsy fahazoana milatsaka dia izay no niteraka ‘ni ni”. Zava-nisy tsy hiadian-kevitra izany.

Hoatr’izay koa ny teny mba tiako hatsipy amin’ny mpomba an-dRajoelina amin’izao fotoana izao. Toa mitady hanao be fiavy fotsiny hoatry ny hanao ririnin-dasa tsy tsaroana ka milaza sy mampitandrina ary mahita sahady fa hisy ny fangalaram-bato. Io izany dia izay olona nanao izany no afaka manaporofo angamba fa nangala-bato izy nandritra ny fitondrany no nahamaro an’isa azy tao anatin’ny Antenimierampirenena? Izahay moa nilatsaka dia tsy lany satria tsy nahay nangala-bato. Tompon’andraikitra amin’izay nataony ny tsirairay avy amin’izao zavatra mitranga izao.”

DM: Tsy mivoaka miditra ihany ve ianareo MFM amin’ny fanoherana sy fanohanana fitondrana?

RM: Tsy miaro ny fitondrana izahay. Ny SG-nay notendren’ny Filoham-Pirenena ho Sénateur ary teny nifampiaranay izany raha nangataka izany ny Filoha. Nanaiky rahateo ny SG-nay. Ny Filohanay Manandafy koa Mpanolontsaina ny Filoham-pirenena, teny nifampierana daholo no nanekena izany satria mikatsaka izay mahasoa ny firenena no atao. Raha mbola niaraka tamin-dRravalomanana ny MFM, tsy afaka niala tamin’izao teniny izao izy: efa tafody aho ka ndao hiara-miasa amin’i Rajaonarimampianina fa io no lany sy voafidim-bahoaka dia niara-niasa izahay. Ny dikan’izay tsy Ravalomanana no hifehy ny MFM amin’izay tiany atao fa dia niaraka niasa tokoa izahay. Fa ny olona moa samy manana ny fomba fijerina ka miteny anay hoe mpamadika, fa manana Depiote ao anie Ravalomanana kanefa maninona no tsy voaongany Rajaonarimampianina izay tsy manana Depiote ao na iray aza?

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *