Socio-eco

RDJ MOZIKA : Ireo mpanakanto mendrika indrindra


Hetsika natokana ho an’ny mpanakanto Malagasy ny Rdj mozika. Ho fantatra amin’ny Sabotsy 02 febroary 2019 izao ireo mpanakanto mendrika izay mifanina ka ho safidian’ny mpihainon’ny RDJ. Atao ao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina manomboka amin’ny 5 ora hariva ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpanakanto Malagasy sy mpikarakara lanonana mendrika indrindra tamin’ny taona 2018. Ireo mozika hangatahan’ny mpihaino ny onjam-peo Rdj sy ireo mpikarakara lanonana miara-miasa amin’ny onjam-peo no mandray anjara amin’ny Rdj mozika, hoy ny filoha tale jeneralin’ny Rdj, Tahiana Rasolojaona. Zava-baovao tamin’ity ny sokajy Afro beat, afro trap, afro tropical izay ngadona nalaza tamin’ny taona 2018 ary ny sokajy ho an’ny mpikarakara lanonana, hoy izy.

Valim-babena

Raha tsy misy ny mozika dia tsy misy ny onjam-peo RDJ. Noho izany, mendrika ny omena valim-babena ireo mpanakanto Malagasy, hoy ity tale jeneralin’ny onjam-peo ity. Manaraka ny rafitra teknika ao amin’ny onjam-peo ny fisafidianana ireo mpanakanto sy mpikarakara lanonana mandray anjara amin’ny Rdj mozika. Na io mozika be mpangataka indrindra na io mpikarakara lanonana miara-miasa amin’ny onjam-peo. 120 ny isan’ny mpanakanto sy mpikarakara lanonana mifaninana amin’ny Rdj mozika 2018. Nozaraina sokajy 21 ireo izy ireo. Misy ny amboara omena ireo mpanakanto mendrika indrindra isaky ny sokajy ka amin’ny alalan’ny fandefasana SMS no ahafahana misafidy azy ireo. “Izay mahazo vato betsaka no mahazo ny amboara. Efa nanomboka ny 2 janoary 2019 ny fisafidianana ireo mpanankato isaky ny sokajy ary ny 2 febroary amin’ny 12 atoandro ny faran’ny fandefasana SMS amin’ny laharana 032 32 00 766 na 033 56 00 766 na 034 34 00 766 miampy ny kaody sy ny safidinao”. Tsara ny mahafantatra fa hisy ny lalao hahazoana tapakila handehanana amin’ny Rdj mozika mandritra ny fandaharana manokana iarahan’ny onjam-peo amin’ireo mpanakanto.
Marihana fa tamin’ny taona 2005 no nanomboka ny andiany voalohan’ny RDJ Mozika.

Nirina R.

Horonan-tsary


One comment on “RDJ MOZIKA : Ireo mpanakanto mendrika indrindra

  1. Pingback: RDJ MOZIKA : Ireo mpanakanto mendrika indrindra - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *