Socio-eco

RAVINALA AIRPORTS: Manamafy ny fifandraisana amin’ny mponina manodidina ny seranam-piaramanidina


Ho an’ny Ravinala Airports, misahana ny fitantanana ny seranam-piaramanidina eto Antananarivo sy Nosy Be dia ny miara-dalana amin’ny fanajàna sy ny fanampiana ny mponina mipetraka manodidina ny toerana hiasany ny  fampandrosoana ny foto-drafitrasa momba ny seranam-piaramanidina.  RAVINALA AIRPORTS 2Amin’ny maha orinasa tomponandraikitra azy  ihany koa dia mampiseho hatrany ny fanavonony amin’ny fanamafisana ny  fifandraisana amin’ny vahoaka. Niroso tamin’ny fanolorana ireo dabilio ho an’ny EPP sy ny CEG ao Ivato ny ity orinasa ity ny 17 desambra 2020. “Ny fanohanana ny tanora sy ny fanabeazana dia tafiditra ao anatin’ny paik’ady ara-tsosialin’ny Ravinala Airports”, hoy ny Talen’ny  QHSSSEMR, Ratsimbazafy Felana. Nambaran’ny solontenan’ny Lehiben’ny CISCO fa “ny fiarahamiasa amin’ny Ravinala Airports tamin’ny fanomezana ireo dabilio ho an’ny CEG sy ny EPP dia hanampy ny mpianatra hisitraka fitaovam-pianarana vaovao izay haharitra an-taonany maro”.

RAVINALA AIRPORTSAnkoatra izany, noho ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona dia nizara fanomezana ho an’ireo fianakaviana sahirana ao amin’ny kaominina  manodidina toy an’Ivato, Talamaty, Anosiala ary Ambatolampy  Tsimahafotsy  ity orinasa ity. Raha atambatra, vary 2100 kilao,  siramamy 420 kilao, menaka 420 litatra no nozaraina tamin’ireo fianakaviana 420 ny 23 sy ny 24 desambra 2020. Nambaran-dRamatoa Ratsimbazafy Felana fa “tsy manadino ireo olona sahirana amin’ireo kaominina manodidina ny seranam-piaramanidina Ivato ny Ravinala Airports isaky ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona”. “Hanampy ireo fianakaviana hianoka fety feno hafaliana ireto fanomezana ireto”, hoy izy.

Lynda A.


One comment on “RAVINALA AIRPORTS: Manamafy ny fifandraisana amin’ny mponina manodidina ny seranam-piaramanidina

  1. Pingback: RAVINALA AIRPORTS: Manamafy ny fifandraisana amin’ny mponina manodidina ny seranam-piaramanidina - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *