Socio-eco

Rasoazananera Marie Monique (MinSup) : « Ilaina ny fanatsarana ny fikarohana »


« Fanoitra mahomby ho fampandrosoana maharitra miaraka amin’ny fihavaozana sy fanatsarana ireo fikarohana ataon’ireo mpikaroka eto Madagasikara». Efa ela no nikarohana fiaraha-miasa amin’ny « Syndicat des industries de Madagascar » ( SIM ) ka tanteraka izany ankehitriny, hoy ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Marie Monique Rasoazananiera. Tsy mijanona fikarohana fotsiny ihany fa tsy maintsy ny indostria no mampiasa azy. Mila teknisianina sy injenera noho izany ny sehatry ny indosotria. Mamokatra manam-pahaizana isan-tsokajiny afaka miasa amin’ny indostria izy ireo. Tsy maintsy atao ny fampihaonana ireo mpikaroka sy ny mpandraharaha ara-toekarena. Efa natao izany tamin’ny 3P , eo ihany koa ny tamin’ny « salon de la recherche ». Nisy ny fanaovan-tsonia teo amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika sy ny SIM. Fanomboana ny maha matotra ny firaha-miasa ny fikarohana sy ny mpikaroka ary ireo ampiasa ny fikarohana. Nomarihan’ny minisitra fa azo ampiasaina amin’ny andavanandro ireo vokam-pikarohana. Marihana fa manana trano heva eny amin’ny « Salon de l’industrie de Madagascar », Forello Tanjombato ny Minisitera.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *