politique

KANDIDA RANDRIANARISOA PENJY: Tsy takona afenina ny zava-bita tao amin’ny kaominina Ivato


Ho atao manezinezina ny fandresena. Taorian’ny fotoam-pivavahana nanombohana ny fampielezan-kevitra dia nanao diabe nitety ny tanàna ny kandida laharana faha-3 ao amin’ny kaominina Ivato sy ny mpanohana azy androany 5 novambra 2019. Nambaran’ny kandida ho ben’ny tanàna natolotry ny antoko TIM (Tiko i Madagasikara), Randrianarisoa Penjy fa hanao ny ezaka rehetra hitantanana indray ny kaominina hanohizana ny zava-bita. “Tsy takona hafenina zava-bitanay teto amin’ny kaominina Ivato na iza hinia hanakona izany. Fantatry ny olona ny fampandrosoana nataon’izany Penjy Randrianarisoa sy ny ekipany izany. Azo laizaina fa isan’ny voalohany ny kaominina Ivato raha resaka foto-drafitr’asa. Ny mason’ny vahoakan’Ivato tsy jamba fa mahiratra ary ho atao mamirapiratra hatrany ny asa izay atao, ho an’ny efa-taona manaraka”, hoy Randrianarisoa Penjy. Manentana ny mponina rehetra eto amin’ny kaominina Ivato ny tenany handrotsaka ny laharana faha-3 amin’ny fifidianana ben’ny tanana, atao ny 27 novambra 2019. Manana lisitra mpanolontsaina ihany koa ity kandida: lisitra Mpanolontsaina Alefa Penjy (FAPI), laharana faha-3 sy lisitra mpanolontsaina KMP, laharana faha-5.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *