Mahoraka

Raharaham-pianakaviana : Any am-ponja Ramaroson Alain


 

 Resaka fampiasana hosoka sy fanaovana hosoka noho ny raharahan-tany nifandirany tamin’ny fianakaviany no fototry ny olana. Nifampitaritarika tamin’ny taratasin’ady, nifanao vava tsy ambina, nifampitorotoroka teny amin’ny tribonaly….

Nanapa-kevitra ny fitsarana fa dia tazonina am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora. Eny no mihinana gagazo sy miandry ny fitsarana azy Ramaroson Alain…Raharaha tsy misy ifandraisany amin’ny raharaha politika ity « seho » ity raha ny angom-baovao hatry ny omaly hariva.

Tsy mbola mora ny tohiny satria ny raharahan-tany sy ny momba izany eto amintsika dia aman-taonany ny fihisatry ny raharaha….Miandry ny « tantara » sy ny « seho » manaraka.


One comment on “Raharaham-pianakaviana : Any am-ponja Ramaroson Alain

  1. Pingback: Raharaham-pianakaviana : Any am-ponja Ramaroson Alain - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *