De-Lire

Raharaha i-BC : Misy “politika” sy “sinema miloko”


 

Natao haingana izay handehanan’ilay station Radio-Télé i-BC tao aorian’ny firehetan’ny trano fiaasan’izy ireo teny amin’ny immeuble STOI Ankorondrano omaly. Nilaza ny Tale mpitantana ity i-BC ity  tamin’ny resaka tsiloa-body tao amin’ny serasera fa tsy court-circuit no nampireheitra ny trano…fa inona izany?

Resaka hafa: Nisy hafatra fohy fandefa amin’ny telefônina ihany koa ny sabotsy lasa teo nilaza tamin’ny mpiasa iray tao amin’ity orinasan-tserasera ity fa hirehitra ny trano ny alatsinainy…Nifampitadiavana io mpiasa nahazo ny hafatra fohy io fa any aminy izany ny “fanalahidy” amin’ity raharaha ity.

Resaka hafa ihany koa: Politika tanteraka no anton’ny fahamaizan’ny radio na televiziona teto amintsika teto… Tsy misy haino aman-jery may amin’ny tsy misy dikany… anisan’izany ohaatra ny nanjo ny Courrier de Madagascar tamin’ny tolona taona 72, ny nanjo ny radio Tsioka Vao, ny MBS, ny RNM sy TVM. Misy antony politika hatrany ireny fa tsy afo avy any an-danitra tsy akory.

Fa tsy olana izany…Andrasana ny  ho tohiny sy ny raharaha fikarohana ny marina… Miloko ny sinema sy ny politika eto amintsika. Indraindray mena, mety ho mainty, mety ho volomparasy, mety ho manga na mainty be mihitsy…


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *