Socio-eco

RAHARAHA ASSURANCE MAMA: “Tsy ara-dalàna ireo mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanana”


Manizingizina.  Manoloana ny filazam-baovao niparitaka tamin’ny haino vaky jery aman-tranokala  fa zanaky ny mpitondran’ny tranom-piantohana  MAMA teo aloha izay anisany nampibaby trosa ity tranom-piantohana ity, ny iray amin’ ireo andian’olona milaza fa tsy ara-dalàna ny fitantanana dia namaly izany ity voatonona ity, ny 10 desambra 2019. Nambarany fa mpikambana feno ao amin’ny tranom-piantohana ny tenany ary nohamafisiny fa tsy misy hidiran’ny taloha sy izao, ny raharaha mitranga ankehitriny.  “Izaho dia mpikambana ara-dalàna ao amin’ny assurance MAMA nanomboka tamin’ny 1995. Ny raiko no namorona ny assurance MAMA voalohany indrindra tamin’ny 1968. Efa mpandraharaha amin’ny fitaterana aho ary asaivo manaporofo ilay olona fa namotika ny MAMA  ny dadanay”, hoy Rakotoarimanana Fidimalala.

Nilaza izy fa “raha ny tena izy, ny raharaha an’i MAMA dia zavatra tsotra no tadiavinay: Izay efabolana izay dia tsy ara-dalàna ny fifidianana ny  filankevi-pitantanana, efa hanananay porofo fa tsy ara-dalàna ireo mpitantana ireo, maro ireo olona napetraka ireo no tsy mpitatitra akory. Izahay mpitatitra nanomboka tamin’ny 1995, tsy  tao anatin’ny lisitry ny mpifidy na nofidiana. Izany zavatra izany no nangatahinay, na ho averina ny fifidianana na jerena ny lisitra satria izahay mandrotsaka ny volanay ao amin’ny assurance fa tsisy tamberina miverina aminay na variraiventy aza”. Araka ny fanazavany hatrany dia nisy tompona fiara WWT maromaro, tao anatin’ny lisi-pifidianana tamin’ny fifidianana filankevi-pitantanana. “Hitan’ny masonay izany, tsy hiteniteny foana na hanenjika an-dRakoto fa manana porofo izahay fa tsy ara-dalàna ny fifidianana ny filankevi-pitantanana tany Nosy Be”, hoy izy.

Nirina R./Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *