Socio-eco

RAGASY MPANAO ASA TANANA: Hampiseho ny fanamboarana aponga


Mampiranty ny asa tanany eny amin’ny Alliance Française Antananarivo (AFT) Ragasy. Nanomboka ny alatsinainy 1 aprily ary hifarana ny 6 aprily 2019 ny fampirantiana ataony. Misy karazany 12 ireo aponga novokariny toy ny amponga maro anaka mazava loha, ny aponga maro anaka B52,  ny apongalahy, ny tary, ny hatranatrana (xylophone),  ny marovakana (shékéré), ny trotrobe (Doum-doum)… ary ho hita eny an-toerana avokoa ireo. Ao anatin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina malagasy ity fampirantiana ity, hoy ny tale jeneraly lefitry ny Alliance Française Antananarivo, Dupré Rindra. Miantso ny rehetra Ragasy ho avy hitsidika ny hetsika satria hampiseho ny fanamboarana aponga ny tenany androany alarobia 3 aprily 2019. Ankoatra izany dia hanafana ny alin’ny taombaovao malagasy, ny 5 aprily 2019  manomboka amin’ny 5 ora hariva, izay hankalazaina ao amin’ny AFT Andavamamba ihany koa Ragasy sy ny ekipany na antsoina hoe: Ragasy Band. “Aponga mihira no ataonay ao fa tongava, ho ataonay hira ny aponga”, hoy Ragasy.

Nahafantarana an-dRagasy hatramin’izay ny fanamboarana zava-maneno, ao anatin’izany ny aponga. Taty aoriana dia nanomboka nampianatra ireo zanany ny fitendrena ireo zava-maneno novokariny izy. Izay no nahatonga ny tarika Ragasy band niforona. Mpitendry zava-maneno enina no mandrafitra ity tarika ity.  Miezaka hatrany Ragasy manamboatra aponga mampiavaka ny Malagasy. Hita mandritra ny fampirantiana ny santionany izany. Nambarany ihany koa nandritra ny fanokafana ny fampirantiana fa diso ny filazàna fa aponga malagasy ny ampongabe sy lagoroana. “Ny vahiny no nampiditra ireo aponga ireo teto”.

Tsy ireo aponga nentim-paharazana ihany no amboarin-dRagasy fa manamboatra ireo karazana aponga any ivelany ihany koa izy. Araka ny fanazavany hatrany dia ireo mpanakanto Malagasy mandeha any ivelany no tena manjifa ny asa tanany. “Taloha raha mandeha any ivelany ireo artista Malagasy mifaninana amin’ny afrikana dia asitrika ny ampongantsika. Teo amin’ny 20 taona teo dia nanomboka tsy menatra intsony izy ireo mampiseho ny amponga vita eto an-toerana”.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *