Socio-eco

RAFANOMEZANTSOA JEAN NIRINA : « Tsy mitady fifamaliana na fifandirana… »


« Aza solokiana ny ambany tanana ». Gaga amin’ny fihetsiky ny solombavambahoaka Rossy ny mpitarika ny Hafari raha nampiantso mpanao gazety ny 06 aogositra 2021 kanefa nisy ny fampiantsoany an’ireo ao amin’ny fikambanana ka niresaka teny an-tranon’ity solombavambahoaka ity ny 05 aogositra 2021, nifandamina, fihavanana no namafisiny. Nasiany tsindrin-peo fa ny filoham-pirenena dia an’ny malagasy rehetra. Tsy mpikambana ary tsy mpikambana, tsy mbola nivory tao amin’ny fianakaviamben’ny mainty maintienindreny izany. Nanamafy Rafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy mpitsabo ary tsy hitsabo mihitsy. Misy ny fikambanana mieritreritra fa azy irery ny filoham-pirenena, diso izany fihevitra izany fa an’ny malagasy rehetra izy. « Tsy mitady fifamaliana na fifandirana na gidragidra izahay ary aza solokiana ny ambany tanana ». Fampandrosoana no katsahinay ary ny fanafoanana ny fahantrana indrindra indrindra. Tsy maintsy manampy ny filoham-pirenena izy ireo satria mety ny ezaka nataony ka noho izany tsy maintsy tononina ny anarany. Tsy ny fikambanana no hanakana ny fitenenana ny anaran’ny filoham-pirenena izay malagasy eto amin’ny taniny. Mila ovaina izany toe-tsaina izany. « Tsy an’i solombavambahoaka Rossy sy Norbert irery ny filoham-pirenena », hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina , filohan’ny Hafari.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *