Evenement

Rafanomezantsoa Jean Nirina: Mihinana gagazo ao Antanimora


Dia lasa nitsilabolabo, hanabe kibo sy takolaka vonjimaika eny ambany Atsinanana ny filohan’ny HAFARI Malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa, rehefa avy nandalo teny amin’ny fampanoavana, omaly, mikasika ireo fiampangana maro samihafa nanenjehana azy. Mazava ho azy fa tsy maintsy mibitaka ireo mpifanandrina aminy rehetra, amin’izao fahavoazany izao.

Voalaza fa raharaha tsy nanaovana fanadihadiana azy teny anivon’ny mpitandro filaminana izao nandefasana azy vonjimaika, hiletra mangahazo maina, izao. Raha ny fantatra dia fitoriana mikasika fisandohana andraikitra izy io. Asa aloha izay tena fandehany tao, satria tsy azon’ny rehetra atrehina moa ny sehatry ny fampanoavana fa dia io aloha ny vokatra nivoaka avy any.

Fitoriana maromaro tokoa no fantatra fa nahavoasarika sy nanenjehana an’ity filohan’ny HAFARI Malagasy ity izay niompana tamin’ny resa- tany ny ankamaroany. Maro tahaka izany ny mpitory sy ny mpifanandrina aminy.

Na izany aza anefa, mbola vonjimaika ny resaka eto. Miandry ny rehetra amin’izay mety ho didy havoakan’ny fitsarana amin’ny fotoana mahamety izany. Izy tenany rahateo, nisy fotoana, tao anatin’ny fivaivain’itony resaka itony, efa nivonona tamin’izay zavatra mety hitranga rehetra ary efa nanambara fa tsy matahotra na dia ny kely aza ary vonona ny hanefa ny saziny raha izay no didy …


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *