Socio-eco

« Radio N’ambanivolo »: Azo jifaina amin’ny tranokala


Nivoaka tamin’ny faran’ny volana Aprily lasa teo tany ivelany ny raki-kira vaovaon’i Samoela mitondra ny lohateny hoe « Radio N’ambanivolo ». Ahitana hira folo ao anatin’izany ka miresaka fitiavana sy sosialy. Azo atao ny manjifa sy mihaino amin’ny « streaming » any amin’ireo vovonan’ny tranokala maherin’ny 200, toy ny Amazon Music, itune… Azo atao koa anefa ny mividy izany amin’ireo mpivarotra mahazatra eto Madagasikara toy ny etsy amin’ny Super Music Analakely. 75.000 Ariary ny vidin’ny natonta tany ivelany ary 10.000 Ariary kosa ny natao teto an-toerana. Telo volana no niketrehan’ny Be mozik ity vokatra vaovaon’i Samoela ity. Dingana maro vao tonga amin’izao vokatra izao izy ireo. Tany Etazonia no natao ny “mixage” ary tao Frantsa kosa ny “Mastering”. Teto an-toerana kosa ny nanaovana ny fandraisam-peo. Ankoatra izay, hisy ny fampisehoana ho fampahafantarana ny raki-kira amin’ny 03 jona 2018 ao Antsahamanitra. Tsy ny kapila mangirana ihany no ho hita eny an-toerana fa azo jifaina amin’ny “Clé USB” ihany koa ny “radio N’ambanivolo” amin’io fotoana io.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *