Actus

Prince Rev. Dr. Ndriana Rabarioelina : « …MANAMELOKA IREO NAHAVANON-DOZA ARY MISAONA NY FIRENENA … » :


Manoloana ny habibiana izay nahafatesana iray amby telo polo (31) tany Beroroha ny 21 jona 2016 dia efa nampilaza ny Lehibe Fara-tampon’ ny Fiarovam-pirenena izahay fa:

1) Tokony najanona ny Lanonam-pifaliana izay nokasaina nataony 26 jona 2016 ary avy hatrany dia natao ny Fisaonam-pirenena ho fanajàna ireo maty.
2) Ny vola tokony natokana ho an’ny Lanonam-pifaliana rehetra dia tokony nozaraina ho an’ ny mahantra sy ny tsy mananko-hanina manerana an’i Madagasikara.

Izao indray dia malagasy mpiray tanindrazana roa (2) no maty ary malagasy mahery ny fitopolo no naratra (70) noho ny habibiana nataon’ ny sasany, tao amin’ ny Kianjaben’ Imahamasina, ny 26 jona 2016.

Noho izany, izahay Malagasy Tia Tanindrazana rehetra sy ny Vahoaka Malagasy dia manameloka tanteraka ireo rehetra nahavanon-doza ireo.

Masina i Madagasikara !

Antananarivo, Vohitra Masina, 26 jona 2016.

Prince Rev. Dr. Ndriana Rabarioelina,
Filohan’ ny Fiombonamben’ ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara.

—————————————————————————————————————————————-

.MITAKY NY FAMETRAHAM-PIALAN’ IREO TOMPON’ ANDRIAKITRY NY FANDRIAM-PAHALEMANA … » :

Ny Vahoaka Malagasy sy ny Tia Tanindrazana Malagasy dia tena tohina tanteraka sy malahelo mafy tokoa amin’ ny fitifirana feno habibiana misesisesy, manerana ny Nosy, noho ny fanafihana andian-jiolahy sy dahalo ary malaso.

Malagasy mpiray tanindrazana mi-isa iray amby telopolo (31) tsy manan-tsiny izao, nisy zaza amam-behivavy, no maty tany Beroroha ny 21 jona 2016.

Izao indray dia malagasy mpiray tanindrazana roa (2) no maty ary malagasy mahery ny fitopolo no naratra (70) noho ny habibiana nataon’ ny sasany, tao amin’ ny Kianjaben’ Imahamasina, ny 26 jona 2016.

Ny tsy fandriam-pahalemana dia mibaribary sy mihanaka manerana ny Nosy ankehitriny, ary iaraha-mahita, andro aman’alina. Ny manam-pahefana anefa dia manana tamberin’andraikitra manoloana ny tany sy ny firenena.

Koa miangavy ny Lehibe Fara-Tampony ny Fiarovam-pirenana mba hitaky ny fametraham-pialan’ireo Tompon’andraikitra ambony mikasika ny fandriam-pahalemana, izay tsy nahatanteraka ny andraikiny, ary ao anaty ora vitsy.

Tany Masina i Madagasikara !

Antananarivo, Vohitra Masina, faha-26 jona 2016.

Prince Rev. Dr. Ndriana Rabarioelina,
Filohan’ ny Fiombonamben’ ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara.


One comment on “Prince Rev. Dr. Ndriana Rabarioelina : « …MANAMELOKA IREO NAHAVANON-DOZA ARY MISAONA NY FIRENENA … » :

  1. Lova Rajason

    Bonjour Monsieur le Prince,
    Vous vous rappelez de moi certainement. Je suis Lova, d’Aix-en-Provence. J’ai vu par hasard des articles vous concernant et des vidéos. Bravo pour vos démarches politiques pour sauver Madagascar. J’habite à Strasbourg. Je suis allé à Madagascar l’année dernière. J’étais effondré en voyant l’état de Madagascar et des Malgaches; j’ai beaucoup pleuré. Je suis de tout coeur avec vous. Je prie notre Seigneur pour votre réussite. Très bon courage!
    Lova Rajason

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *