Socio-eco

Primatiora : Misy eto Madagasikara ny aretina pesta


Toy izao no fanambarana sy fanentanana navoakan’ny te anivon’ny fiadidiana ny Primatiora eny Mahazoarivo:

-Azo sitranina zato isan-jato izany aretina izany raha vantany vao marary ka entina avy hatrany eny amin’ny hopitaly ilay olona, ary arahina ireo fepetra rehetra lazain’ny mpitsabo.
 Fadio araka izany ny manao dokotera tena.
 Avy amin’ny parasy, ny voalavo sy ny loto ny pesta koa entanina ny isan-tokantrano mba hanadio ny manodidina azy sy tsy hanary ireo potikanina toa ny varimasaka satria ireny no misarika ny voalavo.
-Rarana ny famoriambahoaka samihafa mba hiarovana ny tsirairay toa ny fety. Fepetra noraisina manokana ho an’ny fifaninana baskety ao amin’ny lapan’ny fanatanjahan-tena ny anaovana azy mikato trano sy tsy azon’ny be sy ny maro hatrehina hatramin’ny dingana famaranana noho ny trangan’aretina pesta izay nahafaty ilay seychellois.
 hamafisina ny fizaham pahasalamana izay mivoaka sy miditra eto Madagasikara, izay atao eny amin’ny seranam-piaramanidina sy eny amin’ny toerana ijanonan’ny taxi-brousse
Misy ny tetibola iadiana amin’ny pesta ary ireo mpiara-miombon’antoka dia manampy an’i Madagasikara amin’ny fisorohana izany aretina izany. Araka izany dia misy famandriam-boalavo 20 000 ho zarain’ny OMS. Sady maty ny voalavo no maty ny parasy amin’izany famandriam-boalavo izany.Eto Madagasikara ihany ny orinasa mpamorina izany ka tsy misy ahiana raha lany ireo. Maimaimpoana izany famandriam-boalavo izany.
Nisy fivoriana tsy ara-potoana entina hisorohana ny fihanaky ny aretina pesta teny Mahazoarivo androany 30 septambra 2017. Fivoriana izay notarihin’ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier sy notronin’ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, ny minisitry ny fanatanjahan-tena, Minisitry ny Rano, ny Angovo ary ny Akoranafo, ny solontena maharitry UNICEF, ny OMS, ny PNUD


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *