Socio-eco

PRIMA BABY: Natokana ho an’ny ray aman-dreny sy ny zaza ny baby shopping.


Hita mandritra ny roa andro eny amin’ny Lapan’ny tanana Analakely ireo kojakoja ilain’ny zaza sy ny ankizy amin’ny fiainana andavanandro. Ny 01 sy 02 desambra no hanatanterahana ny hetsika. Hanoro hevitra ny ray aman-dreny tanora no tena tanjon’ny Baby shopping karakarain’ny Prima Baby. “Andro natokana ho an’ny ray aman-dreny sy ny zanaka” ity andiany fahadimy ity. Ankoatra fiantsenana ny kojakoja toy ny akanjo, kilalao, fitaovam-pampianarana ho an’ny zaza na ankizy, afaka manontany na manoro- lalana ny fomba fitaizana sy fanabeazana ny zaza sy ny ankizy ny manam-pahaizana manokana momba izany.

“Amin’izao ankatoky ny fetin’ny noely sy faran’ny taona izao, fotoana ahafahana miantsena sahady ny zavatra ilaina amin’izany ao amin’ny baby Shopping”, hoy ny mpikarakara, Haingo RAJAONAH. Etsy ankilany, hanampy ny ray aman-dreny vao sy ny atsy ho atsy ny fomba fanabeazana ny zanaka ihany koa io roa andro io.

Noho ny fiarahamiasa amin’ny hetsika fifaninana hazakazaka Marathon International de Tana (MIT), kilalao sy lalao isan-karazany hita mandritra ny hetsika. Eo ihany koa fisian’ny fifaninanana “déguisement rois et reines” tena izy na mpilalao sarimihetsika na sary miaina. Ankizy 03 ka hatramin’ny 10 taona no afaka mandray anjara. Hozarain’ny orinasa mpanohana ny Baby Shopping loka ireo mpandresy.

Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *