Portrait

Portrait : Katinah (Miss Teen Beauty Fashion 2018) : Tia manampy olona amin’izay kely ety amiko aho


I SEDRARIMALALA Tinah Fanantenana dia Miss Teen Beauty Fashion andiany voalohany izay notontosaina tamin’ny faraparan’ny taona 2018. Ny halavany dia 1,66 metatra raha 49 kilao kosa ny lanjany. Mbola mpianatra izy ary Taona fahaefatra (Marketing et commercialisation). Ny nahatonga azy hilomano tao anatin’ilay  filatrona sy ny lamody dia efa faniriny hatramin’ny fahazazany ny ho lasa mpilatro matianina.

Eo amin’ny fifaninanana indray dia tiany ilay mifaninana sy mampiseho ny maha izy azy ary fantany fa tsy latsa-danja amin’ireo tovovavy mitovy aminy sy tia ny lamody tahaka azy izy. Anisany nanampy azy hiditra lalindalina kokoa tao amin’ity tontolo filatrona ity ny fifaninanana toy ny « miss et Mister Teen Beauty Fashion » izay nataony mba hahatanterahan’ny faniriny efa hatramin’ny ela. Nanana ny nampiavaka azy izy tamin’io fifaninanana io. Teo amin’ny lafiny fisafidianana akanjo ohatra dia nasehony ny fivoarana mandrapahatonga tany amin’ny famaranana. Tsy tonga dia tsara be dieny voalohany izany satria aminy dia mahasarika ny mpitsara kokoa ny mahita ny fivoarany sy ny fiezahany mitady zava-baovao. Teo koa ilay fahatokisan-tena.

Katinah3

Tsy mbola nanana eritreritra ny hanao fifaninanana hafa izy fa efa eo an-dalana manatateraka ny faniriany dia ny fananganana « agence de mannequinat » ho an’ny tanora mitovy aminy ankehitriny. Fantany fa maro ireo tanora tia ny filatrona sy ny lamaody. Fanampiana be ho azy ireo ny fidirana anaty « agence » mba hahazoana traikefa. Anisany hanampy azy ireo amin’ny fiainany andavanandro koa izany, hoy hatrany izy, mba tsy hahavoatarika azy ireo any amin’ny ratsy.

Katinah 1

Rehefa lasa Miss ny tenany dia nisy fiovana be satria na hivoka ny trano àry dia lasa mitandrina be amin’ny resaka fiakanjo. Lasa be mpafantatra izy ka tsy afaka mikofoka firy. Ny tsiambaratelon’ilay bika manify dia ny fanaovana fanatanjahantena. Mandany eo amin’ny 30 minitra isan’andro eo izy. Tsy dia mifidy sakafo be loatra koa izy. Tia misakafo izy indrindra ny nahandro malagasy. Ny laoka tiany dia hena kisoa sy ravitoto. Anisan’ny tsy tiany kosa ny voatavo. Eo amin’ny fiaraha-monina dia anisan’ny tia manampy olona sairana izy na dia tsy anaty fikambanana aza. Ohatra hoe fety ny andro dia manome zavatra kely ho azy ireo izy. Ny reniny no nampita izany taminy.

Ralantôpix


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *