Evenement

POOPY AO ANTSAHAMANITRA : Nahomby ny hetsika


Indreo fa nifanao fotoana etsy Antsahamanitra indray i Poopy sy ireo olona tsy mahafoy azy ka nanaraka ity mpanakanto ity efa aman-taonany maro.
Ny tsikaritra avy hatrany dia ireo renim-pianakaviana mitovitovy taona amin’i Poopy ( mihoatra ny 50 taona) no tena mameno ny kianja.

Tena tsy nisy very ny hira rehetra nokaloina hatramin’ny voalohany fa manaraka tsara ny mpijery. I Poopy rahateo dia tsy laitran’ny taona nifandimby fa dia mbola io hatrany ny fahaizany miangolangola any anaty hira mandona ny fo sy ny fanahy. Manenina ihany raha tsy namonjy ity fampisahoena etsy Antsahamanitra ity, hoy ireo manatrika eny.
Feno hipoka ny kianja , ary olona maontina sy malefa-pihetsika no mameno ny kianja. olona mahay mankafy ny kanto nifampitaizana hatramin’izay mihitsy. Somary nisy fanahiana ihany izahay mpikarakara, hoy ry zareo satria ohatran’ny nanambana ny ho avy ny orana. tsy izany anefa no niseho fa manga ny lanitra ary isaorana ny Tompo Andriamanitra nanome izany andro tsara izany.

Miora Razafy


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *