Socio-eco

POLISIM-PIRENENA: Nahomby ny fampiharana ny “politika fisehoana”


Namerina ny fahatokisan’ny vahoaka ny mpitandro filaminana ny fivezivezen’ireo polisy hita maso na “police de visibilité”. Ao anatin’ny fanatanterahana ny “politika fisehoana” an’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka izy ka nahitam-bokany izany tamin’ity volana febroary ity. Nanao tatitra ny vokatry ny fivezivezen’ireo teny  polisy eny an-dalam-be na any anaty tanàna andro sy alina ny teo anivon’ny polisim-pirenena omaly 21 febroary 2019. Ny vokatra teo anelanelan’ny 2 ka hatramin’ny 21 febroary 2019 manerana ny faritra sy teto Antananarivo no nampahafantarina tamin’izany.

Amin’ny ankapobeny, olona 218 no voasambotra, 22 voatazona vonjimaika any am-ponja ary 8 valo nahazo fahafahana vonjimaika vokatry ny asa nataon’ny “police de visibilité”. Noho ny fiarahamiasan’ny polisy hita maso sy ny fokonolona, fanafihana maro no voasoroka teto Antananarivo Renivohitra. Trangana fitsaram-bahoaka  miisa teny Avarandrano no voasoroka. Vahoaka miisa 800 nampahafantarina ny andraikitry ny polisy eny anivon’ny fiarahamonina.

 Raha ho an’ny faritany Toamasina no resahina dia jiolahy valo amin’iore 12 (bande de douze) no voasambotry ny polisy, mpanao hetraketraka sy asan-jiolahy mahery vaika tao amin’ny tampon-tanàna Toamasina izy ireo. Tovolahy iray mpanolana vehivavy ihany koa no tratra ary ravan’ny polisy ny  tambazotra mpangalatra moto ao an-tampon-tanàn’i Toamasina, araka ny fanazavan’ny talen’ny filaminam-bahoaka, Contrôleur général de police Rakotoarimanana Herilala. Nilaza ihany koa ny tale kabinetra ny ministeran’ny filaminam-bahoaka, commissaire principale de police Ainanirina Albert Estel fa misokatra ny fanadihadiana momba ny ahiahy kolikoly amin’ireo polisy miisa dimy ao Maevantanana any amin’ny faritany Mahajanga, nitranga tamin’ny faran’ny herinandro teo.

Lynda A.


One comment on “POLISIM-PIRENENA: Nahomby ny fampiharana ny “politika fisehoana”

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *