Socio-eco

POESAM 2021: Fantatra ireo tetikasa malagasy mendrika indrindra


Tetikasa telo no voasafidin’ny mpitsara ho mendrika indrindra  tamin’ireo 10 nifaninana tamin’ny dingan’ny famaranana nandritra ny fifaninanana Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et Moyen-Orient (POESAM) 2021, ho an’ny eto an-toerana. Nampahafantarina ny 21 septambra 2021 ireo tetikasa Malagasy ireo. Nandrombaka ny laharana voalohany ny tetikasa AHIA.  Vola mitentina 2.500.000 Ariary ny loka azony ary mbola mahazo tohana ara-teknika sy ara-barotra avy amin’ny Orange Madagasikara ihany koa ny tompon’ny tetikasa. Raha ny fantatra dia tetikasa entina hanampiana ireo ankizy sahirana eto Madagasikara amin’ny lafiny saram-pianarana, fitafiana sy fitaovam-pianarana ny AHIA. Nibata ny  loka ho an’ny sokajy vehivavy izay natokana ho an’ireo tetikasa mitondra fanatsarana ny fiainan’ny vehivavy ihany koa ny tompon’ny tetikasa AHIA. Vola mitentina 1.000.000 Ariary no nomena azy. Natolotra ny tetikasa iTS, « boat Facebook Messenger » miompana amin’ny fanaovana tombana momba ny « cours en ligne» kosa ny loka faharoa. Natolotra azy ny vola mitentina 2.000.000 Ariary. Koti Kota no tetikasa malagasy fahatelo mendrika indrindra tamin’ny POESAM andiany faha-11.  Vola mitentina  1.500.000 Ariary ny loka azony.  Flit Ride Koti Kota dia mpitondra vahaolana voalohany amin’ny lafiny nomerika eto Madagasikara mamaha ny olana mifandraika amin’ny famatsiam-bola, ny fidin’ny sisin-tany sy ny faharefoan’ny fifandraisana ara-piarahamonina. Ny ainga vao entiny ho an’ny fiarahamonina no tena nisafidianana ireo mpifaninana

Fifaninanana manome lanja ny mpandraharaha manome vokatra na tolo-draharaha mitondra ainga vao mifanaraka amin’ny fivoaran’ny nomerika, mamaly ny filàn’ny mponina amin’ny sehatry ny fahasalamana, fambolena, angovo, varotra na indostria ny POESAM. Efa nanomboka tamin’ny tapaky ny volana septambra ny fifaninanana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. 10 000 euros ka hatramin’ny 25 000 euros ny lokaho an’ireo tetikasa telo voalohany mendrika indrindra

 Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *