Socio-eco

PIF TIC: Manampy ny tantsaha hifehy ny teknolojia


13 ny ivon-toerana hanovozana ny loharanom-pahalalana ho an’ny olom-pirenena te handroso (PIF TIC). Vao avy notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 30 jolay 2018 lasa teo ny tranon’ny PIF TIC eto Antananarivo. Eo akaikin’ny kianjan’ny ANS Ampefiloha no misy azy. Anisany mampiofana ny tantsaha momba ny teknolojia toy ny fampiasana ny solosaina, ny finday , ny “internet” tahaka ny fanokafana adiresy mailaka na kaonty “facebook”, fitrandrahana ireo fomba fambolena na fiompiana moderina… ity ivon-toerana ity. Tsy ireo tantsaha ihany no afaka manovo fahalalana ao fa izay rehetra liana amin’ny fifehezana ny teknolojia dia misokatra ho azy ireo ny varavarana.

Vavolombelona

Tsy nisy omby very intsony tao Ambalavao Fianarantsoa tao anatin’ny herintaona. Nijoro vavolombelona i Modeste Ratsimbazafy tantsaha nahazo fiofanana momba ny teknolojia. “ Nampianarina ny fampiasàna ny finday ny tenako ary nahita tombontsoa tamin’izany satria eo noho eo dia afaka mampita vaovao. Nitsiry ny hevitra ka nananganana fikambanana ho an’ireo mpiompy omby ny tenako. Nampitaiko tamin’ireo mpikambana ny fahalalana azoko. Tamin’ny alalan’ny antso sy fandefasana SMS, afaka nanara-dia ireo dahalo mpangalatr’omby izahay. Vokany, betsaka ireo dahalo tratra”, hoy i Modeste Ratsimbazafy, filohan’ny fikambanan’ny mpiompy omby ao Ambalavao Fianarantsoa “Soa miara-dia”.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *