Socio-eco

« PERMIS » SY « CARTE GRISE BIOMETRIQUE » TENA « IZY » : Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena


Ela niandrasana ka tonga ihany.  Tao aorian’ireny fampiatoana ny fanamboarana ny « permis » sy « carte grise biometrique » lazaina fa tsy tena « izy » ireny dia vonona amin’izay ny tena « izy ». Nanomboka omaly 24 Mey 2019 manerana ny renivohim-paritany rehetra dia afaka mamoaka azy ity avokoa. Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ISO IEC 18013 2018  ity tena « izy » ity, hoy ny ministry ny atitany, Razafimahefa Tianarivelo.  Fantatra ihany koa fa « izy » ity no fenitra vaovao raitra indrindra farany maneran-tany. Nolazainy fa isika malagasy no mampiasa izany voalohany . Azo antoka noho izany ity « permis » sy « carte grise biometrique »  vaovao ity satria misy « puce » ao anatiny. Noho izany, na aiza na aiza no hijerena ny mombamomban’ny tompony dia ho hita avokoa . Tsy miova na ny antonta-taratasy na ny vidiny ho an’izay tsy mbola nanova. Mijanona ho 38.000 Ariary ny « permis ». Manomboka ny andro omaly iny ny fanaovana ireo « permis » izay efa nandoa vola nefa tsy mbola nahazo tamin’ilay tsy tena « izy ». Toerana roa no azo anaovana izany, dia ny eo amin’ny « Centre d’Immatriculation » ( CIM) Ambohidahy sy eny Atsimondrano.

 Nomarihan’ny ministry ny atitany fa tsy mandoa vola intsony ireo izay efa nahazo ilay lazaina fa « permis » tsy tena « izy » ka hanomboka amin’ny volana janoary 2020 ny fanovana izany ka hisy ny fandaminana amin’ny fanatanterahana azy.  Afaka volana vitsivitsy dia ezahina ny hanana « Centre d’Immatriculation »  24 manerana an’i Madagasikara mba tsy hisy intsony ny filaharana be, hoy hatrany ny ministra.

Ny orinasa HEPHALU no nahazo ny tolotr’asa izay mampiasa ny teknolojian’ny « HIDE »(Amerikanina) izay lohalaharana indrindra amin’ny fikarakara azy itony, hoy hatrany ny ministra.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *