Socio-eco

« PERMIS BIOMETRIQUE »: Lainga ny fanambarana nataon’ny tomponandraikim-panjakana


Nitondra ady hevitra lehibe teto amin’ny firenena ity atao hoe « Permis Biometrique » ity fa hoe « hosoka ». Nitondra fanazava momban’izany omaly Zoma 05 Oktobra 2018 teny Antaninarenina ny orinasa CETIS nahazo ny tolo-bidy ka nanao ny fanamboarana ny taratasy fahazon-dalana hamily fiarakodia. « Permis Biometrique » no nangatahan’ny fanjakana ary nanaovany tolo-bidy. Nisy ny fanehoana tamin’ireo mpanao gazety sy nanaovana ohatra amin’ny fijerena raha tena « izy » ny « Permis Biometrique ». Tamin’ny alalan’ny finday no nanaovana izany ka hita fa misoratra avokoa ireo hita amin’ny « Permis » saingy mila tamba-jotra « internet ». Orinasa maro no namaly izany fa ny orinasa CETIS no nahazo izany. Nanatanteraka ny asa ity orinasa ity nanomboka ny taona 2015 ary nanaraka ny bokin’andraikitra. Miisa 360.000 ireo fahazoan-dalana vita hatramin’izao nanapahan’ny fanjakana ny fifanarahana izao, hoy ny tale ara-barotry ny CETIS, Rakotozafy Sylvain. Nazava ny andraikitry ny orinasa satria natao ny fampiofanana ny mpiasa tao amin’ny « Centre Immatriculation de Madagascar » (CIM) sy ny minisiteran’ny atitany. Eo ihany koa ny fanampiana ara-teknika amin’ny fampiasana ny fitaovana ary manara-maso ny fanomezana ny « Permis Biometrique ». Nanazava ihany koa ny maha samihafa ny « Biometrique » sy ny « électronique » izy. Nanambara izy fa tsy hita maneran-tany ny « Biometrique » fa ny « électronique » no hita maneran-tany tahaka ny passeport électronique. Nomarihany fa tahaka ny orinasa rehetra ny CETIS ka manaraka ny fenitra izay voalaza sy voasoratra ao anatin’ny bokin’andraikitra.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *