Socio-eco

PENJY RANDRIANARISOA: Nandray ny andraikiny sahady amin’ny fanadiovana ny tanànan’Ivato


Tao anatin’ny efa-bolana tsy nitantanany ny kaominina. Tsy niandry vali-pifidianana ofisialy ny mpiara-dia amin’i Penjy Randrianarisoa fa tonga dia nandray ny andraikiny. Nanao fanadiovana tao amin’ny kaominina Ivato, tao anatin’ny tsena sy mandodidina izy ireo, androany 05 desambra 2019. “Tao anatin’ny efa-bolana tsy nitantanako ny kaominina, izao ny  zava-misy, fako be ato anatin’ny tsena vaovao, tsy misy fanadiovana mihitsy, ary tsy ato amin’ny tsena ihany fa manerana ny kaominina Ivato”, hoy i Penjy Randrianarisoa. Araka ny fanazavany, tsy fantatra na fanahiniana atao izany ary atahorana ny pesta  ato amin’ity kaominina ity raha mitohy ny tsy fahaiza-miaina ataon’ny olona sasantsasany, minia manary sy manapotika ny fananam-bahoaka. Manoloana izany dia nambarany  fa rehefa tafaverina eo amin’ny toerana izy dia ho hentitra ary handray fepetra faran’izay henjana  ho an’ireo zatran’ny lalan-dririnina mandoto ny tanàna.
PENJY RANDRIANARISOA 1“Misy mpiasan’ny kaominina, manao ny asany, misy ihany koa no mitsivalam-pandry satria resy ny kandida notohanany (…) Ny sasantsasany amin’ny mpitantana ny kaominina, izay nivadika any amin’ny antoko hafa dia manakana anay, tsy misy idiran’izany Penjy izany intsony ny fanadiovana ny tanàna fa izahay no mitantana eto ka tsy tokony hitsabatsabaka aho”, hoy izy nanome fanazavana fanampiny.
Marihina fa handray fepetra amin’ny fanalàna ny fako be eo anoloan’ny tsena i Penjy Randrianarisoa sy ny mpiara-dia aminy. Mbola nohamafisiny fa “vitanay mampamirapiratra ny tanàna, tsy mila miandry  ny hafa fa vita io rehefa eo ny finiavana”.
Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *