politique

Pasitera MAILHOL : Ny kolikoly mampamangy, ny tany miverina amin’ny tompony.


Tao aorian’ny nanaovan’ny antoko politika GFFM “ Gideona ho Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara” kongresy nasionaly tamin’ny herinandro lasa iny, nanampan-kevitra izy ireo fa i Pasitera MAILHOL André Christian Dieu Donné no kandidan’ny antoko amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena. Nambara tamin’ny fomba ofisialy izany teny Ivato ny Alahady 11 Martsa 2018. Nitondra ny vinany kosa ity pasitera filoha sady mpanorina ny fiangonana Apokalipsy ity ka ny andresena ny fahantrana ao anatin’ny fotoana fohy no tanjona. Noho izany, ezahana ny am-pidina ny vidim-piainana fa tsy atao lanja miakatra intsony ka atao latsaky ny 3.000 Ariary ny vidin’ny solika. Ahena ny hetra alaina amin’ny solika mba ho tanteraka izany, hoy izy satria io no mahatonga ny fiakarany midangana io. Eo ihany koa ny famerenana ny toerana fanadiovana solika na ny “raffinerie” izay nikatona. Etsy ankilany, ho rarana ny fanondranana ny omby mankany ivelany satria efa manomboka lany izy ireo. Amin’ny lafiny ny harena an-kibon’ny tany, afaka mitrandraka volamena avokoa ny Malagasy rehetra na vahiny izany saingy kosa ny banky foibe irery ihany no afaka mividy ary mivarotra izany. Hiraha- mahalala fa anisan’ny olana misakana ny fampandrosoana ny firenena ny resaka fananan-tany. Anisany vina ho azy ny famerina ny tany amin’ny tompony izay nalain’ny vahiny na Malagasy ankeriny. Mampamangy ny kolikoly raha tonga eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena i pasitera Mailhol. Nambarany fa ho fitaratry ny rehetra izy eo amin’ny tsy fanaovana kolikoly. “Tsy hanao ary tsy haniraka olona hanao kolikoly , tsy hanodikodim-bolam-panjakana aho fa izay tratra manao izany indrindra ny eo ambany fahefako, toy ny minisitra dia esorina avy hatrany, mamerina ny nalainy ary any am-ponja avy hatrany”. Iraka no ampanaovin’Andriamanitra ahy hoy izy ary tonga ny fotoana amoahany ny firenena Malagasy. Ho tanteraka tokoa ve izany fahazoany ny toeran’ny filohan’ny repoblika izany ? Ho hitantsika eo ny tohiny.
Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *