politique

Pasitera Mailhol: Kandidan’ ny « Pôpôv »


Manao izay ho afany ireo kandida amin’ity fifidianana filohampirenena ity miseho etsy sy eroa. Vonona tanteraka amin’ny fifidianana ny antoko Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara (GFFM).
Nifidy izay ho talen’ny fampielezan-kevitra ny antoko GFFM. Dimy ireo nanolotena ho talen’ny fampielezan-kevitra ary lany zato isan-jato i Paolo Raholinarivo. “Tanjona telo ny an’ny antoko, ady amin’ny fahantrana, fanjakana tan-dalana ary ny famerenana an’ny Malagasy ny “îles eparces”, hoy ny filoham-panorina ny antoko GFFM, Pastera Mailhol. Vonona ny hanohana mandram-pahalany azy ny firenena Rosianina ary hanampy amin’ny famerenana ireo nosy kely manodidina an’i Madagasikara bodoin’ny Frantsay ary vonona hampandroso hiaraka aminy amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Niresaka tamin’ny mpanao politika, ireo kandida hilatsaka amin’ity fifidianana filoham-pirenena ity kanefa ny tenany no nosafidian’izy ireo ho tohanana. Naneho ny heviny ihany koa izy amin’ny fanaovan’ireo kandida vitsivitsy ny fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana. “Tsy misy lalàna mifehy izany hatreto . Efa hanomboka hanao ihany koa izahay izao”. Nasiany teny kely ny fanorenana ifotony izay tenen’ny mpanao politika ankehitriny. Ao anatin’ny fitondrana no hanatanterahana izany satria tsy vita io fanorenana ifotony io raha tsy mahazo fahefana, hoy izy.

Nirina R.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *