Socio-eco

PASIPAORO AFRIKANA : Hivezivezy malalaka ny mponina aty Afrika


« Ho hafainganina ny fanomezana pasipaoro Afrikana ahafahan’ny mponin’i Afrika mivezivezy malalaka ». Anisan’ny nivoitra tamin’ny « Forum de Tana 2018 » andiany faha-7 natao tany amin’ny tananan’i Bahir Dar, Ethiopia ny 21 Aprily 2018 ka hatramin’ny 22 Aprily 2018 momba ny fandriam-pahalemana aty Afrika sy ny famatsiam-bola sy fanavaozana ny Vondrona Afrikana ( UA ) izany. Tanjona ny hananan’ny mponina afrikana pasipaoro iombonana. Efa mandroso any amin’ny fahaleovantena ara-pamatsiam-bola ny sampana fandriam-pahalemana sy fiarovana ao amin’ny UA ary efa ho tratra ny tanjona. Tsy midika fitsabahan’ny firenena any ivelany ny famatsiam-bola ataon’izy ireo fa mitaky tamberinandraikitra kosa izany. Naneho ny heviny sy ny sosokevitra ihany koa ireo mpizaika tonga tamin’ity dinika natao ity. Anisan’ny noresahana tamin’izany ny famatsiam-bola tsy ara-dalàna aty Afrika izay mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana. Voalaza matetika ny fisian’ny kolikoly avo lenta mahatonga ny korontana eo amin’ny firenena iray. Eo amin’ny lafiny politika sy ara-toekarena izay mifanindran-dalana, tokony ho hitan’ny vahoaka eo amin’ny ny fahaiza-mitantana ary miantraika mivantana aminy izany. « Tsy afaka mamorona asa ny fanjakana raha tsy tomombana araka ny tokony ho izy ny harin-karena faobe (PIB ) nefa izany misy fiantraikany amin’ny fandriam-pahalemana», hoy ny filoha vaovao mitantana ity « forum de Tana » ity, John Dramani Mahama sady filoha teo aloha Ganeanina. Ilaina ny firaisan-kinan’ny Afrikana ary tsy azo zarazaraina.
Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy io « Forum » io ny praiministra Etiopianina, Dokotera Abiy Ahmed Ali. Filoham-pirenena teo aloha avy amin’ny firenena eto Afrika toy ny filohan’i Niger teo aloha sady filohan’ny “Forum” farany, Olusengum Obansanjo. Eo ihany koa, ireo profesora ao amin’ny oniversite isankarazany, toy ny “Adis Ababa University” sady niaingany hevitra namoronana izao “Forum de Tana” izao. Niforona ny tamin’ny taona 2007 izy ity ka ny “Institut pour les Etudes de Paix et Sécurité” (IPPS) ao amin’ny oniversite Adis Ababa no nitantana ny sekretaria ny “Forum”. Ny fandaharan’asa momban’ny fandriam-pahalemana sy ny fiarovana , tetikasa iray ao amin’ny UA mba afahan’ny mampivoatra ny fahaizan’ny Afrikana.

Nirina R.

Version française

horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *