Socio-eco

PARC ANKARAFANTSIKA: Marolafy no mahatonga ny fahamaizana


 Efa maty ny afo ao amin’ny valan-java-boaharin’i Ankarafantsika. Nambaran’ny tale jeneralin’ny MNP (Madagascar national Parks) mpisolo toerana, Dr Rakotoarijaona Mamy nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety ny voalohan’ny volana oktobra 2019 teto Mahajanga fa ny ampahany amin’ireo faritra iarovana ny valan-java-boahary (zone tampon) no may fa tsy ny ivon’ny “parc” na antsoina hoe “noyau dur”. Raha ny tarehimarika nomeny dia 1308 hektara  ny fitambaran’ny faritra may tao amin’ny “zone tampon” no kilan’ny afo hatramin’ny 26 septambra 2019 lasa teo. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fatana fanamboarana saribao no nahatonga ny afo. Araka ny fanazavany hatrany, sarotra ny namono ny afo satria bozaka no naniry tao ka mora niitatra. Eo ihany koa ny rivotra mitsoka sy ny tsy fahampian’ny rano hamonoana afo ary ny halaviran-toerana. Rehefa natao ny fikarohana dia olona iray no efa voasambotra fa voarohirohy tamin’izao fandoroana ny parc. Mitohy kosa ny fanenjehana ny lohandohan’ny mpisorona nahatonga ny firehetana. “Efa nisy olona nohahiahiana ho nanao izany saingy nitsoaka any anaty ala”, hoy ny fanazavan’ny teo anivon’ny foibe isam-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (DREDD) Boeny. Efa nisy ny fanentanana ireo mponina manodidina an’Ankarafantsika fa tsy fanimba io ala io satria io no miaro ny lemak’i Marovay izay sompitra faharoa amin’ny famokarana vary eto Madagasikara tsy ho dibo-drano. Nohamafisin-dRakotoarijaona Mamy fa soa iombonana ny valan-java-boahary ka tomponandraikitra ny tsirairay.

Marolafy ny mahatonga ny doro tanety sy ny doro ala. Raha ny fanazavany hatrany dia vokatry ny tsy fahampiana dia mitady ny fomba ahazoana vola haingana ny olona ka anisan’izany fanamboarana saribao. Ankoatra ny fanapahana ny hazo ao anaty faritra arovana dia anaty ala ihany koa izy ireo no manao saribao. Anisany mahatonga ny doro tanety na doro ala ihany koa fitadiavana tany hambolena.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *