politique

Paolo sy Ralita: Tsy nanao ratsy teto amin’ny firenena


Nianiana tamin’ny baiboly ny administrateur civil Paolo Raholonarivo sy ny filohan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa (RNDC), Lita Rabetsara fa tsy nahazo vola be tany amin’ny mpanolontsaina manokana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, Mbola Rajaonah izany. Nilaza ny mpitarika ny tolona teny amin’ny kianjan’ny 13 may fa nomena volabe an’i Paolo io mpanolotsaina ny filoha io entina hankaramàna « gros bras » hanakorontana ny hetsika ho an’ny fanovàna. Nanamafy izy ireo nandritra ny fanambarana nataon’izy ireo androany 30 aprily 2018 fa tsy nadray izany vola izany ary tsy manana eritreritra ny hitondra fanakorontanana. « Niaro mpiray tanindrazana amiko aza no nataoko manoloana ireo mpangalatra tany. Noho izany, tsy mbola nanao ratsy tamin’ny fireneko aho ».
Manao antso avo ny fitondram-panjakana i Paolo Raholinarivo, Lita Rabetsara Lita, Tahiana Ranaivoharison ny hanovàna ny lalàm-pifidianana. « Io lalàna io no fototry ny korontana eto firenena ka ovao. Avelao hilatsaka ho fidiana avokoa izay te hilatsaka », hoy i Paolo Raholonarivo.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *