Socio-eco

PAOLO EMILIO RAHOLINARIVO, « Misy namana miteny amin’ny teny tsy fantatra any amin’ny AFO Syndicale. »


Manana ny hasiny sy ny toerana misy azy ny « administrateur civil » eto amin’ny firenena na teo aloha izany indrindra ankehitriny. Manamafy izany ny fitokisan’ny filohan’ny repoblika azy ireo ka nanendreny ny praminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier izay « administrateur civil ». « Natao hanampy izay fanjakana misy izy ireo fa tsy natao hanongam-panjakana », hoy Paolo Emilio RAHOLINARIVO SOLONAVALONA, administrateur civil. « Misy namana miteny amin’ny teny tsy fantatra any amin’ny AFO Syndicale izay mitonona sy mitondra ny anaran’ny sendikan’ny « administrateur civil » ». Manamafy noho izany izy fa tsy manana solon-tena ao amin’ny AFO Syndicale velively ka raha mbola mitohy ny fisandohana ataon’io olona mitondra ny anaran’ny sendikan’ny « administrateur civil » io dia hitory eny amin’ny fitsarana izy ireo satria tsy nahazo alalana hitondra an’izany izy.
Anterivava : Paolo Emilio RAHOLINARIVO SOLONAVALONA

Mahatsapa i paolo Emilio fa tsy natao hanimbazimbana, hanalana baraka olona ary hanonganam-panjakana ny sendikan’ny « administrateur civil ». Saro-piaro noho izany izy amin’ny fiarovana ny hasin’ny «administrateur civil ».
Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *