Socio-eco

OSTIE BEHORIRIKA : Nandray ny Délire Madagascar ny Médecin-chef


Fifaliana ho an’ny Dr Ratavilahy Roland, Médecin-chef-n’ny OSTIE Behoririka no nandray ny Délire Madagascar. Olona tsotra sy sariaka be, tsy mba tahaka irony Mpitsabo sasany na ny mifanatrika aminy aza vao maika mampihombo ny aretina manjo. Raha vao mihaona aminy dia miala sahady ny antsasaky ny mahamay.

Anterivava….

Délire Mada:  Ny tsara ho fantatra momban’ny OSTIE Behoririka Dokotera?

Ratavilahy Roland: “Ny OSTIE Behoririka dia iray amin’ireo OSTIE valo misy eto Antananarivo. Eto Behoririka no misy ny foibe, nefa misy dispensera koa eto. Amin’ny ankapobeny, dia mitsabo ny mpiasa sy ny vady aman-janany ny OSTIE. Ny mpikambana rehetra ato amin’ny OSTIE dia lazaina fa ny orinasa mitambatambatra no nanangana ny OSTIE (Organisation Sanitaire Tananarivienne Inter-Entreprise). Izany hoe ireo orinasa mitambatra ireo no tompon’ny OSTIE. Mikarakara ny fahasalaman’ny mpiasa sy ny vady aman-janany ny OSTIE. Izay ny ankapobeny.”

DM: Firy ny Mpitsabo sy mpanampy (Paraméd) eto tompoko?

RR: “Raha ny eto Behoririka manokana dia misy Dokotera 10 eo izahay ny “médecins traitant” ankoatra ny tenako. Misy spesialista efatra eto: “cardiologue”, “échographe” «responsable» momba ny tratra, ary «allergologue». Ao koa  ireo mpitsabo nify. Ny isan’ny atao hoe “Paraméd” indray dia misy eo amin’ny 12 eo raha atambatra miaraka amin’ny “service laboratoire” sy ny “sage-femmes” sy ny mpanara-maso ny reny sy ny zaza.”

DM: Ahoana ny “hospitalisation” Dokotera?

RR: “Raha ny tena marina ny “hospitalization” tsy raisin’ny OSTIE an-tanana intsony. Nefa kosa raha misy fanafody na fizahana angatahan’ny dokotera any amin’ny hopitaly ohatra, na “examen” amin’ny “laboratoire” na “radio” ka misy eto amin’ny OSTIE, dia azo atao aty izany sy azon’ny OSTIE homena koa ny fanafody. Tsara marihina moa fa izay zavatra izay raha ny tena marina tsy “à la charge”-ny OSTIE intsony, fa dia fanampiana no ataon’ny OSTIE amin’izay fotoana izay. Izany hoe tsy voatery izany ny OSTIE hoe tsy maintsy misy aty ilay zavatra hangatahan’ny any amin’ny hopitaly.”

DM: Toa misy an’ny OSTIE ireny “ambulances” mampalilo sofina eran’ny tanàna ireny?

RR: “Ny tena marina izy ireny dia marary manketo amin’ny OSTIE ka mila ampidirina hopitaly. Fa ny marary sanatria any an-trano, na any amin’ny toeram-piasana dia ny toeram-piasana ihany aloha no miezaka mahatonga ilay marary aty, dia raha mila ampidirina hopitaly ilay marary izay vao alefan’ny OSTIE amin’ny “ambulance”.”

 DM: Misaotra indrindra Dokotera!

RR: ”Izahay no misaotra anao tompoko, ary manantena fa santatry ny fiaraha-miasantsika izao!”

Anterivava notontosain-dRazaka Oliva

                    P1060918  P1060919

                                Tsara rafitra sy mijoalajoala ny OSTIE ao Behoririka              DrRalijaona Michel no Cardiologue-diabétologue

                   P1060920P1060921

                              Tsy misy mifampisongona intsony fa miasa ny teknolojia mandroso …        Milamina, mifanaja, madio tokoa

P1060924P1060927

              Alatsinainy andro mahery ka tsy mahagaga, tsy misy miala maina                                                 Ny Major Rakotomalala Benjamin

                                                                    P1060933

                                                                                                          Fanafody miaro tsiky ny eo amin’ny farmasia

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *