Socio-eco

ORINASA HYDIS: Manome fahafaham-po ny mpanjifa hatrany


“Ticket carburant” mitentina 150.000 Ariary no azon’ny voalohany tamin’ny lalao tombola nokarakarain’ny orinasa Hydis. Ny 19 oktobra 2018 ny fisarihana ny anaran’ireo nandray anjara tamin’ity lalao ity ka olona 30 miparitaka manerana an’i Madagasikara no tsara vintana. Ny 20 voalohany nahazo “ticket carburant” manomboka amin’ny 10.000 Ariary ka hatramin’ny 150.000 Ariary. Ny 10 ambiny kosa nomena loka hafa toy ny t-shirt, casquette… Ny zoma 19 oktobra 2018 teny amin’ny station Galana Avana, Behoririka no nizarana ny lokan’ireo mpanjifa nandray anjara.

Orinasa mpaninjara ny vokatra mitondra ny marika Axe sy Signal ny Hydis. Noho ny fiarahamiasa amin’ny orinasa mpivarotra solika Galana, amidy eny amin’ny station-service Galana miisa 36 manerana an’i Madagasikara ny vokatra Axe sy Signal. Nanomboka ny 18 jona ka hatramin’ny 31 jolay 2018 dia nividy ny “déodorant Axe” na “dentifrice Signal” dia nomena “ticket” nahafahana nandray anjara tamin’ny lalao tombola. “Ho fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ny tanjon’ny lalao”, hoy ny chef de projet marketing an’ny orinasa Hydis, Raitra Randriamanana. Nilaza ihany koa ny tomponandraikitra ara-barotra ny Hydis, Tahiriniana Rakotonirina fa ho famporisihana ny mpanjifa hividy vokatra tsara kalitao ampiasaina amin’ny fitandroana ny fahadiovana ity lalao ity.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *