Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE : Tsy afa-misaraka amin’ny fanatsarana kalitaon’ny fampianarana ny teknolojia


Sekoly nomerika miisa 20 no apetraka amin’ity taom-pianarana 2020-2021 ity. Tontosa ny 10 desambra  2020 teny amin’ny CEG Antanimbarinandriana ny fanombohana izany. Tetikasan’ny fikambanana Orange Solidarité ny fametrahana sekoly nomerika manerana an’i Madagasikara mba hisitraka ny fampiasana ny teknolojia ireo ankizy Malagasy. Isaky ny sekoly dia nanolotra fitaovana nomerika ahitana tablettes 25 isa, casques 25 isa, solosaina 01, serveur Raspberry 01, vidéoprojecteur 01 miaraka amin’ny écran, powerbank maromaro… ny fikambanana. Natolotra tamin’io fotoana io ny anjaran’ny CEG Antanimbarinandriana.

Nambaran’ny filohan’ny Orange Solidarité, Randriambeloma Josie fa tanjon’ny fandaharan’asa “sekoly nomerika” ny fampihenana ny tsy fitoviana amin’ny fifehezana ny  nomerika, ny fanatsarana kalitaon’ny  fampianarana, ny fanampiana ny mpianatra hahay hikirakira ny nomerika na inona na inona toerana misy azy ary ny fampidirana ireo fitaovana isan-karazany mifandraika amin’izany eny anivon’ny sekoly. Nohamafisin’ny ministry ny fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle fa “tsy afaka misaraka amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ny teknolojia”. Nanomboka tamin’ny 2014 dia sekolim-panjakana 136  manerana ny faritra 22 no efa lasa sekoly nomerika . Tablettes miisa 6.000 no efa nozaraina ho an’ny mpianatra.

Nirina R.


One comment on “ORANGE SOLIDARITE : Tsy afa-misaraka amin’ny fanatsarana kalitaon’ny fampianarana ny teknolojia

  1. Pingback: ORANGE SOLIDARITE : Tsy afa-misaraka amin’ny fanatsarana kalitaon’ny fampianarana ny teknolojia - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *