Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE: Sekoly miisa roa ao Fianarantsoa lasa sekoly nomerika


Nahazo fitaovana nomerika avy amin’ny Orange Madagascar tamin’ny alalan’ny fikambanana Orange Solidarité ny sekoly ambaratonga fototra (EPP) Andrainjato Centre sy ny sekoly Soanatao ao Manakanda Ambohimahasoa. Ahitana « tablettes », « serveur Raspberry », « laptop », « vidéoprojecteur », « casques » ireo fanomezana. Nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord ny 8 aprily 2022. Hahazo fiofanana momba ny fampiasana ireo fitaovana ny mpampianatra ao amin’ireto sekoly ao Fianarantsoa ireto ka ny mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ny Orange no hampiofana azy ireo. Natao hanatsarana ny voka-panadinana ny fanolorana fitaovana nomerika tahaka izao. Efa nampidirina ao anatin’ireo fitaovana ny fandaharam-pianarana novolavolain’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN). Ankoatr’izany dia nampidirana herinaratra ireto sekoly ireto. Marihina fa sekoly nomerika 30 no hatsangana ho amin’ity taom-pianarana 2021-2022 ity.

Notontosaina tamin’io 8 aprily 2022 ihany koa ny fandraisana tamin’ny fomba ofisialy ny fanavaozana sy ny fampidirana herinaratra ny toeram-pitsaboana (CSBII) ao amin’ny Village Orange Manakanda. Nanatrika izany ny Filohan’ny Orange Solidarité, Arson Benja. Manana jiro (lampadaire) mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny toeram-pitsaboana ankehitriny. Nohatsaraina ny zaridaina ary nohavaozina ny loko ao anatiny sy ivelan’ny efitrano fianarana. Nomena fitaovana fandajana zaza, kidoro, aron’akanjo, vata, “rideaux” ary kojakoja maro samihafa ihany koa ny “maternité”. Tsirin-kevitra avy amin’ny fikambanana Look Gasy Aventures sy fiarahamiasa avy amin’ny kaominina ambanivohitra Ankerana ny Village Orange Manakanda. Nanampy ara-bola tamin’ny fanamboarana azy ny Fondation Orange tamin’ny alalan’ny Orange Solidarité. Ny taona 2013 no notokanana tamin’ny fomba ofisialy izany.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *