Socio-eco

ORANGE SOLIDARITE NOËL 2020: Fianakaviana sahirana sy ankizy anarivony nivimbina fanomezana rehefa nody


Andron’ny firaisankina. Teo ambany fiahian’ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy dia nanatanteraka andro natokana ho an’ny firaisankina ny Orange Solidarité Madagascar ho fizarana hafaliana ho an’ireo fianakaviana sahirana sy ny ankizy taizana amin’ireo fikambanana sy mianatra amin’ireo sekoly mpiara-miasa amin’ity fikambanana misahana ny asa sosialy ao amin’ny orinasa Orange Madagascar ity. Ny 19 desambra 2020 teny amin’ny Tour Ankorondrano no notontosaina ny « Orange Solidarité Noël 2020 ».  Fianakaviana 350 avy ao amin’ny fokontany  Ankorondrano Atsinanana sy Ankorondrano Andranomahery no nozaraina vary, siramamy, menaka ary labozia. Nomena vatomamy kosa ireo ankizy 400 mahery. Ankoatra izany dia notoloran’i dadabe noely vatomamy sy biscuit ary boky ihany koa ireo ankizy 200 avy amin’ny Centre Fazako, sekolin’ny marenina eto Madagasikara, ny SOS Village d’Enfant, ny EPP Maibahoaka ary ny  Compassion Madagascar.  Amin’ny maha fety  ny « Orange Solidarité Noël » dia nampiseho ny talentany tamin’ny alalan’ny dihy, ny tsianjery ireto ankizy ireto. Nanafana ny lanonana ihany koa ny Joyfull Music, mpihira sy mpitendry mozika avy ao amin’ny Orange.

Nandritra io fotoana io ihany dia nizara fanomezana tamin’ireo faritra maro ny mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny Orange. Anisany nandalovan’izy ireo ny akany fitaizana zaza kambony an’ny sekoly Sainte Famille Sambava,  ny Orchidée vanille Antalaha, ary ny sampandraharaha misahana ny zaza ao amin’ny hopitaly Antambohobe Fianarantsoa. Raha atambatra dia ankizy 1000 no nihanoka sahady ny fetin’ny noely noho ny « Orange Solidarité Noël ».

Nirina R.


One comment on “ORANGE SOLIDARITE NOËL 2020: Fianakaviana sahirana sy ankizy anarivony nivimbina fanomezana rehefa nody

  1. Pingback: ORANGE SOLIDARITE NOËL 2020: Fianakaviana sahirana sy ankizy anarivony nivimbina fanomezana rehefa nody - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *